Manomeza Fiheverana ny Fahalianana Hita
1 Rehefa mizara ireo gazetintsika sy ireo zavatra vita an-tsoratra teokratika hafa isika, dia manely lavitra ny hafatra notorin’i Jesosy. Tokony hanao fiezahana manokana àry isika mba hiverina hitsidika izay olona rehetra nampiseho fahalianana.
2 Raha nanasongadina lahatsoratra iray voafaritra tsara tao amin’ny Mifohaza! izay nahaliana ilay tompon-trano ianao, dia hevitra fanampiny avy ao amin’ilay lahatsoratra hazavaina rehefa miverina, amin’ny fampifantohana ny resaka ataonao manodidina ny andinin-teny fototra iray ary angamba amin’ny fehintsoratra iray na roa. Raha mitohy ny fahalianany, dia mariho aminy fa andraisan’ny fianakaviana iray manontolo soa ny Mifohaza! Mamelabelatra foto-kevitra isan-karazany ny nomerao tsirairay, anisan’izany ny tontolo iainana, ny fihatsaran’ny tena sy ny fiatrehana amim-pahombiazana ireo zava-manahirana amin’izao andro izao, ary ireo fanontaniana izay mahakasika ny tanora. Rehefa nisy fahalianana amim-pahatsorana, dia ataovy fantatr’ilay tompon-trano fa azo raisina amin’ny alalan’ny famandrihana ny Réveillez-vous! (fa tsy ny Mifohaza!) ary hahazo nomerao 24 izy ao anatin’ny herintaona.
3 Ahoana raha tsy liana amin’izay lahatsoratra rehetra ao anatin’ny nomerao farany amin’ny Mifohaza! ilay tompon-trano? Toy izay hamarana ny resadresaka, dia azonao atao ny manararaotra izany fahafahana izany mba hampahafantarana bebe kokoa aminy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fampiasana ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-424-425 amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
4 Raha nametraka nomerao iray tamin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” ianao teo aloha tamin’ny fampiasana ny 2 Timoty 3:1-5 ary tamin’ny fanasongadinana ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-2 amin’ilay gazety, dia azonao atao ny milaza zavatra toy izao rehefa miverina:
◼ “Nandinika ny hevitr’izay mitranga manodidina antsika amin’izao andro izao eo amin’izao tontolo izao isika tamin’ny resadresatsika teo aloha. Olona maro no hita fa tsy liana intsony momba an’Andriamanitra sy ny fari-pitsipiny momba ny fiainana araka izay aseho ao amin’ny Baiboly. Nisy heriny lehibe teo amin’ny fihetsiky ny olona eo amin’izy samy izy izany, araka izay lazalazain’ilay andinin-teniny ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5. Mihevitra ve ianao fa misy antony tsara tokony hanantenana toe-piainana tsaratsara kokoa amin’ny hoavy?” Rehefa navelanao hamaly izy, dia mety ho azonao atao ny hitarika ny saina ho amin’ny 2 Petera 3:13. Avy eo, avadiho ny boky Fanjohian-kevitra eo amin’ny pejy faha-194-200, ary antitrantero izay hataon’ilay Fanjakana ho an’ny taranak’olombelona.
5 Mety hahatsapa ianao rehefa miverina mitsidika fa tsy maniry hiresaka ny amin’ny fivavahany ilay tompon-trano, satria aminy dia raharaha tena manokana izany. Azonao atao ny milaza zavatra mitovitovy amin’izao:
◼ “Noho ireo fivavahana be dia be eo amin’ny tontolo iray mihakely dia kely noho ny fanaovana dia sy ny fomba fifandraisana mihafaingana kokoa mbola tsy nisy toy izany, dia tsapa maneran-tany ny fiantraikan’ny antokom-pinoana samihafa na tiantsika izany na tsia. Noho izany, dia mety hitondra ho amin’ny fifandraisana misy heviny eo amin’ny olona samy hafa finoana, ny fahatakarana ny fomba fijerin’ny tsirairay avy. Mety hampisava ny sasany amin’ireo fankahalana miorina amin’ny zavatra inoana ara-pivavahana izany. Ahoana no hevitrao?” Rehefa avy namaly izy, dia tariho ho amin’ny lahatsoratra iray mifanentana ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ny sain’ilay tompon-trano.
6 Aoka isika hanao ny fiezahana rehetra mba hiverina hitsidika ireo rehetra mampiseho fahalianana amin’ny fahamarinana sy hanampy azy ireo handeha eo amin’ny lalana izay mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Jaona 4:23, 24.