FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/94 p. 1
  • Arahabao ny Lahimatoan’i Jehovah!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arahabao ny Lahimatoan’i Jehovah!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanampiana Ireo Rehetra Nampiseho Fahalianana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • ‘Manomeza Fanazavana Feno Momba ny Vaovao Tsara’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mazotoa Amin’izay Tsara!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Tahin’i Jehovah ny Ezaka Ataontsika Hanatrehana Fahatsiarovana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 2/94 p. 1

Arahabao ny Lahimatoan’i Jehovah!

1 Ny alahady 9 Nisana, taona 33 am.f.i., dia nisy vahoaka maro be nihazona rantsana palmie, niarahaba ny Zanaka lahimatoan’i Jehovah, i Jesosy Kristy Tompo, ho toy “Ilay tonga amin’ny maha-Mpanjaka amin’ny anaran’i Jehovah!” (Lioka 19:38, NW; Heb. 1:6). Ny alatsinainy 10 sy ny talata 11 Nisana, dia voatana tanteraka tamin’ny fanompoany ampahibemaso i Jesosy, ka nanao izany andro faramparany izany ho anisan’ireo feno zavatra natao indrindra teo amin’ny fiainany teto an-tany.

2 Amin’izao andro izao, dia misy vahoaka maro be kokoa aza, mihazona rantsana palmie ara-panoharana, miantso amin’ny feo avo, manao hoe: “Ny famonjena [dia avy amin’, NW ] Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy [ny, NW ] Zanak’ondry.” (Apok. 7:9, 10). Amin’ny 26 Martsa isika dia hivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Koa satria efa manakaiky io daty io, moa ve isika afaka mampitombo ny fiezahantsika eo amin’ny fanompoana, ka amin’izany dia manampy amin’io hiakam-piderana maneran-tany io?

3 Ampitomboy ny asa fanompoana: Mpitory maro be no efa nangataka ny ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana Martsa. Irinao ve ny hanara-dia azy ireo? Raha izany no izy, dia avereno tsy misy hataka andro ny fangatahanao. Ho faly ny iray amin’ireo loholona hamaly izay fanontaniana mety hataonao momba io asa io.

4 Na afaka manompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy ianao na tsia, dia ho tianao ny handray anjara feno amin’ny fanompoana mandritra ny volana Martsa. Ny kongregasiona dia mety ho afaka handamina ny hisian’ny antoko-mpitory isan’andro mandritra io volana io. Tokony hisy faritany ampy tsara hatokana ho amin’io zava-kendrena io.

5 Ny kongregasiona rehetra dia tokony handamina ny hisian’ny fivoriana ho amin’ny asa fitoriana manokana ny asabotsy 26 Martsa. Na dia be aza ny tokony hatao ho fiomanana ho amin’ny Fahatsiarovana, dia anoroana hevitra ny handehanan’izay rehetra afaka manao izany, any amin’ny asa fitoriana ny asabotsy maraina. Ho fanampin’ny fiasana isan-trano, dia ataovy izay hahazoana antoka fa manana fitaterana ireo izay nasainao hanatrika ny Fahatsiarovana, ary tadidin’izy ireo mazava tsara ny fotoana sy ny toerana hanaovana ilay fivoriana.

6 Asao sy ampirisiho ny hafa: Nandidy ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” (1 Kor. 11:24, NW). Koa satria mankato io baiko io koa ireo mpanara-dia an’i Jesosy voahosotra, dia asaina ny mpanompon’i Jehovah rehetra hanatrika sy hitandrina ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Ankoatra ny hafa, dia tokony hasainao ireo mpianatra Baiboly, ireo havana, ireo izay nanana fifanakalozan-kevitra momba ny Baiboly taminao, ny vady tsy mpino, sy ireo olom-pantatra any am-piasana. Manaova lisitra mba tsy hisy olona hohadinoina.

7 Hisy fahafahana fanampiny mba hampirisihana ireo olona liana, any amin’ny Fahatsiarovana mihitsy. Ataovy azo antoka ny hahatongavana aloha be mba hahafahanao hiarahaba ireo vaovao izay sambany vao hanatrika. Raha maromaro amin’ireo olona ampianarinao Baiboly no manatrika, dia mety hahasoa ny hisian’ny mpitory hafa hiara-mipetraka amin’ny sasany amin’izy ireo mandritra ilay fivoriana. Asao ireo vao tonga mba hanatrika ny Fivoriana Ampahibemaso fanaon’ny kongregasiona tsy tapaka. Ilay loholona voafidy hanao ny lahateny ampahibemaso dia tokony hiomana tsara mba hanao lahateny mandrisika.

8 Amin’ny fifaranan’ny fankalazana ny Fahatsiarovana, rehefa hampiara-peo amin’ny fihirana ny hira faha-105 hoe “Arahabao ny Lahimatoan’i Jehovah!” isika, dia enga anie isika ho afaka hahatsiahy amim-pahafaham-po ilay volana iray nanaovana asa teokratika tamin-jotom-po, ho fiderana an’i Jehovah!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara