Tohano Amin’ny Fomba Feno ny Fandaharana Momba ny Fivoriana Ampahibemaso Ataon’ny Kongregasionanareo
1 Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy tovolahy iray nahita taratasy fanasana mampahafantatra ny amin’ireo fivorian’ny kongregasiona teo an-toerana. Koa satria nikatsaka ny fahamarinana izy, dia nanapa-kevitra ny hanatrika ny Fivoriana Ampahibemaso ny alahadin’iny ihany, ka tonga aloha be tao amin’ny efitrano. Niarahaba azy tamin-kafanana ny mpitory iray, ary nandritra ilay resadresaka izy io dia nanolotra ho azy fampianarana Baiboly, izay nolaviny. Tohina aoka izany anefa izy noho ilay lahateny ampahibemaso voaomana tsara, hany ka niova hevitra izy, ary taorian’ny fivoriana dia nekeny ilay fampianarana. Nandroso haingana io tovolahy io ary vita batisa rehefa afaka volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Azontsika atao ny mandray fianarana mahasoa telo, fara fahakeliny, avy amin’io fitantarana io.
2 Voalohany, nampahafantarina ny Fivoriana Ampahibemaso. Moa ve ianao mampiasa ireo taratasy fanasana vita pirinty mba hampahafantarana ny amin’ny fandaharam-pivorian’ny kongregasionanareo? Rehefa manonona ny lohatenin’ny lahateny ampahibemaso hatao ny herinandro manaraka ny mpitari-draharaha, dia eritrereto ireo olona ao amin’ny faritaninao izay mety ho liana indrindra amin’ilay foto-kevitra, na mamaky ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika izy ireny izao na tsia. Ny olona sasany dia tsy tia mamaky teny na tena sahirana izy ireny mamaky, kanefa mety ho vonona ny hihaino lahateny iray momba ny foto-dresaka araka ny Soratra Masina izy.
3 Faharoa, nanehoana fandraisana mafana ilay vao tonga. Raha manao fandaharana mba ho tonga aloha be araka izay azo atao ao amin’ny efitrano ianao, dia ho afaka hiarahaba ireo rahalahy sy anabavinao ary koa izay olona liana tonga ao. (Heb. 10:24). Raha sambany vao hanatrika ny vaovao iray, dia mety tsy ho fantany izay ho hitany ao. Hazavao fa manomboka amin’ny hira sy ny vavaka ny fivoriantsika, ary lazao aminy ny fomba hitarihana ny fivoriana. Raha mety, dia asao hiara-mipetraka aminao izy mba hahafahanao hiara-mijery aminy ny Baibolinao sy fihirananao. Asao izy hiara-mandinika aminao izay mety ho fanontaniana hataony raha vantany vao mifarana ny fivoriana.
4 Fahatelo, voaomana tsara ilay lahateny. Ireo izay manana tombontsoa hisolo tena ny kongregasiona amin’ny maha-mpandahateny ampahibemaso dia mandany ora maro hanomanana sy hamerenana ilay lahateny mba hampirisihana ny mpihaino ho amin’ny fitiavana bebe kokoa sy ny asa tsara dia tsara. Samy eo ambany fanerena avokoa isika amin’izao andro izao, ary ireo fahamarinana mamelombelona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra indrindra no ilaintsika mba hanampy antsika hiaritra. Mazava ho azy fa na dia ahazoana fahalalana toy inona aza ilay lahateny, dia tsy hisy vidiny firy izany ho antsika manokana raha tsy mihaino amim-pitandremana izay lazaina isika. Moa ve ianao indraindray mahita fahasahiranana eo amin’ny fampifantohana ny saina mandritra ny lahateny? Mety hanampy ny fandraisana an-tsoratra fohy, toy ny ataontsika matetika mandritra ireo fivoriamben’ny distrikantsika. Ataovy azo antoka fa manaraka ao amin’ny Baibolinao ianao isaky ny misy andinin-tenin’ny Soratra Masina vakina sy hazavaina.
5 Ny Fikambanana dia nanome lahateny ampahibemaso momba ny karazana foto-kevitra araka ny Soratra Masina maro be. Amin’ny fiasana amin’ny alalan’ny mpiandraikitra prezidà na ny rahalahy iray voatendriny, ny fitambaran-doholona dia mandrindra ny fandaharana momba ny Fivoriana Ampahibemaso ataon’ny kongregasiona. Ireo foto-kevitra anomezan’ny Fikambanana planina dia nofidina mba hifanandrify amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana amin’izao fotoana izao. Aoka ianao tsy ho diso na dia iray aza amin’izany fanazavana tena lehibe izany, ary tohano amin’ny fomba feno ny Fivoriana Ampahibemaso atao isan-kerinandro ao amin’ny kongregasionanareo.