Manàna Fihetsika Manorina Hatrany
1 Fientanam-po toy inona moa ny antsika mamaky ny amin’ny fitomboana mahatalanjona mitranga any amin’ny tany maro! Tsapantika anefa fa matetika any amin’ny faritra sasany ireo mpitorin’ilay Fanjakana dia mahita tsy firaikana, tsy firaharahana na fanoherana tanteraka mihitsy aza ny asa fitoriantsika. Ahoana no ahafahantsika mihazona fihetsika manorina raha izany no mitranga ao amin’ny faritanintsika? Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fihetsika tsy manorina izay hanaisotra amintsika ny fifaliantsika na hampihena ny zotom-pontsika amin’ny asa fanaovana mpianatra?
2 Ny fihetsika manorina dia hanampy antsika hihazona ny fahaizantsika mandanjalanja. Na dia ao anatin’ny toe-javatra manahirana aza isika dia tsy tokony hamela ireo fisainana tsy manorina hanapaka amin’ny fomba fihevitsika. Nanome ny ohatra tanteraka ho antsika i Jesosy. Azo lazaina fa olona vitsy ihany no nanaiky izay nampianariny. Maro no tafintohina tamin’ny fampianarany. Niatrika tarehin-javatra izay nisedra mafy ny fiaretany izy. Ireo filoham-pivavahana dia nanakiana ny asany ary nioko mba hamono azy. Nororana izy, nasiana tehamaina, nesoina, nokapohina sy novonoina tamin’ny farany. Kanefa, dia nahita fifaliana izy tamin’ny asa nataony. Nahoana? Niaiky ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ka tsy niala tamin’izany. — Jaona 4:34; 13:17; Heb. 12:2.
3 Manàna hatrany fomba fihevitra mety ny amin’ny asa fanompoantsika: Mba hanaovana izany, dia ilaintsika ny mitadidy anton-javatra maromaro ao an-tsaina. Tadidio fa isika dia manana hafatra iray izay tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona na toheriny. (Matio 13:14, 15). Na dia nodidiana tamin’ny fomba ofisialy aza ireo apostoly mba hampitsahatra ny fampianarana amin’ny anaran’i Jesosy, dia nitoetra ho nahatoky tamin’ny asa nanirahana azy mba hitory izy ireo, ary niditra hatrany ny vokatra azo. (Asa. 5:28, 29; 6:7). Fantatsika mialoha fa any amin’ny faritany sasany, dia azo lazaina fa ho vitsy ihany ny olona hihaino. (Matio 7:14). Koa amin’izany, dia manana antony tokony hifaliana isika raha olona iray monja no mihaino ny hafatra entintsika ao amin’ny faritanintsika. Tadidio koa fa na dia ireo mpanohitra aza dia tsy maintsy omena fahafahana handre. (Ezek. 33:8). Mety hiova ny mpanohitra sasany amin’ny farany ka ho tonga mpivavaka amin’i Jehovah. Rehefa dinihina araka ny mety àry, dia manome antsika fahatsapana ho nahavita zavatra ny asa fanompoantsika, na dia vitsy aza no mihaino. Ny fahatongavantsika eny am-baravarana mihitsy mitondra ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa fanambarana. — Ezek. 2:4, 5.
4 Manana antony tsara hananana fihetsika manorina isika amin’ny fomba fihevitsika. Ny firoboroboan’ny asa maneran-tany sy ireo porofo mitombo ny amin’ny fahantomoran’ny fahoriana lehibe dia tokony hanosika antsika rehetra hanao izay faran’ny azontsika atao mba hanompoana amim-pifikirana amin’Andriamanitra. (2 Pet. 3:11, 14). Ny fanaovana asa amin-jotom-po mandritra ny Aogositra dia ho fomba iray tsara dia tsara hanehoantsika ny fankasitrahantsika izay nianarantsika. Irintsika koa ny hanehoan’ireo olona vao miaraka amintsika fihetsika manorina amin’ny fampiasany izay nampianarina azy. Raha misy sasany amin’ireo olona ampianarintsika Baiboly nandroso ka vonona ho tonga mpitory tsy vita batisa, dia mety ho fotoana tsara indrindra hanombohan’izy ireo ny volana Aogositra.
5 Hahasoa antsika rehetra, na manompo amin’ny maha-mpitory isika na amin’ny maha-mpisava lalana, ny fitadidiana ao an-tsaina fa tsy mavesatra ny zavatra angatahin’i Jehovah amintsika. (1 Jaona 5:3). Mampanantena ny hanohana antsika izy. (Heb. 13:5b, 6). Na dia eo aza ny tsy firaharahana, ny tsy firaikana na ny fanoheran’ny olona, dia tsy maintsy manorina isika ary tsy maintsy mitory hatrany satria sitrapon’Andriamanitra ny hanaovantsika izany. — 1 Tim. 2:3, 4.