Hataony Ahoana no Fandre Raha Tsy Miverina Isika?
1 “Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Rom. 10:14). Eny tokoa, ahoana no hahazoan’izy ireo ny hevitry ny fahamarinana raha tsy manao fiverenana mitsidika mandaitra isika? Izay rehetra mety ho fitsidihana nahafahantsika niresaka tamin’ny tompon-trano nikasika ny hafatra momba ilay Fanjakana dia mendrika ny hanaovana fiverenana mitsidika. Amin’itỳ volana itỳ isika dia afaka ny hanolokolo ny resadresaka nataontsika voalohany miaraka amin’ny hevitra araka ny Soratra Masina fanampiny avy ao amin’ny bokikely napetratsika na inona izany na inona, ary izany dia mety hitarika amim-pahombiazana ho amin’ny fianarana ny Baiboly.
2 Raha toa ianao ka nametraka ilay bokikely hoe “Ho Avy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao”, dia mety ho afaka ny hanomboka resadresaka izay hitarika ho amin’ny fianarana ny Baiboly amin’izao fomba izao. Amin’ny fanondroana ilay fonony eo aloha, dia afaka manontany ianao hoe:
◼ “Ho tianao ve ny hiaina ao anatin’ny tontolo izay hahitana hoavy azo antoka ho anao sy ny fianakavianao? [Avelao izy hamaly. Avy eo dia avadiho eo amin’ny fehintsoratra faha-2.] Iombonantsika rehetra izany faniriana izany, na dia maro aza no misalasala fa hisy izany indray andro any. Ho an’Andriamanitra, izay mampanantena ny hanao izany ho zava-misy, dia tsy hoe tsy ho vitany izany.” Vakio ny Isaia 32:17, 18 araka izay ilazana azy eo amin’ny fehintsoratra faha-2, na vakio avy ao amin’ny Baibolinao izy io. Tohizo ny resaka amin’ny fanazavana fa misy olona maneran-tany izay efa manandrana sahady ny fifaliana sy ny fiadanan-tsaina avy amin’ny fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy. Diniho ireo hevitra araka ny Soratra Masina eo amin’ny fehintsoratra faha-3, ary avy eo dia hazavao ny fomba ahafahan’ny fianarana ilay bokikely manampy ilay tompon-trano hahafantatra bebe kokoa. Raha liana ilay olona, dia manaova fandaharana ny hanao fiverenana mitsidika haingana mba hanohizana ilay fiaraha-midinika.
3 Rehefa manao fiverenana mitsidika ianao taorian’ny nametrahana ilay bokikely hoe “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, dia mety hanomboka amin’ny fampisehoana ilay sary eo amin’ny fonony ary avy eo dia hanontany hoe:
◼ “Ahoana ny hevitrao ny amin’izany hoe miaina ao anatin’ny tontolo lavorary izany? [Ataovy izay hamalian’ilay tompon-trano.] Izay hitanao eto amin’itỳ sary itỳ dia tsy zavatra foromporonin’ny saina fotsiny; miorina amin’ny fampanantenana azo antoka voalaza ao amin’ny Baiboly izy io. [Vakio ny Apokalypsy 21:4 sy ny Salamo 37:11, 29.] Ho tiako ny hanazava ny fomba hahafahanao sy ny fianakavianao hifaly amin’io fitahiana io.” Raha mampiseho fahalianana ilay tompon-trano, dia tohizo ilay fiaraha-midinika, ary manolora fampianarana Baiboly.
4 Rehefa mahita olona tso-po izay mikaroka ny fahamarinana isika, dia mampiseho ny fitiavana marina ananantsika amin’ny fiverenana mba hanampy azy ireny hanao zavatra mifanaraka amin’izay reny. Mampiasa ireo fahamarinana masina nankinina tamintsika isika mba ho fitahiana mandrakizay ho antsika sy ho an’izay mihaino. — 1 Tim. 4:16.