Asao ny Hafa Hanara-dia An’ilay Lehilahy Niavaka Indrindra
1 Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 5:14, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany i Jesosy: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” Ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia tokony hilaza hatraiza hatraiza momba ny Fanjakan’i Jehovah sy ny fandaharana feno fitiavana nataony ny amin’ny famonjena amin’ny alalan’i Jesosy. Amin’ny fitadidiantsika ao an-tsaina izany asa nasaina hataontsika izany, mandritra ny volana Desambra isika dia miandry amim-panantenana ny hanolotra ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Indreto misy fanipazan-kevitra sasany mety ho tianao hampiasaina.
2 Rehefa avy nampahafantatra ny tenanao ianao, dia ho azonao atao ny hilaza izao manaraka izao amin’ny fomba fiteninao manokana:
◼ “Maro no manontany tena hoe nanao ahoana i Jesosy fony izy olombelona teto amin’itỳ tany itỳ. Tamin’ny fomba ahoana avy, araka ny hevitrao, no tsy nitoviany tamin’ny hafa? [Avelao ilay olona hamaly.] Itỳ boky mambabo ny saina hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany itỳ, dia mitantara ireo zava-nisongadina teo amin’ny fiainany sy ny fanompoany, ary mampahafantatra antsika ny amin’ny hoe karazan’olona nanao ahoana izy. Rehefa avy namaky azy itỳ ny olona sasany, dia nahatsiaro ho toy ny nifanerasera taminy manokana, niara-nizaka ireo fijaliany taminy ary nandinika nivantana ny fanompoany.” Asehoy ilay sary voalohany ao amin’ilay boky, izay manasongadina ilay lohateny. Avy eo, dia avadiho ho eo amin’ny teny fampidirana ilay boky ary vakio ny fehintsoratra faharoa eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Soa azo avy amin’ny fianarana momba azy”. Atolory ilay boky.
3 Na ho azonao atao ny hilaza zavatra toy izao:
◼ “Mandritra izao vanin-taona izao, ny olona dia mieritreritra momba an’i Jesosy. Kanefa, noho ny fitrangan’ny zavatra ratsy be dia be aoka izany manerana ny tany, dia mety hanontany tena ny olona sasany raha toa ka tena miahy antsika tokoa i Jesosy. Ahoana ny hevitrao momba izany?” Avelao ilay olona hamaly. Avadiho ho eo amin’ny toko faha-24 ny boky Lehilahy Niavaka, ary miresaha vetivety momba ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Avy eo, dia vakio ny Jaona 15:13, ary antitrantero ny fitiavana feno fahatsoram-pon’i Jesosy ho an’ny hafa. Aza hadinoina ny manana eny aminao ireo gazety farany na bokikely iray na taratasy mivalona mifanentana iray mba hatolotra raha tsy ekena ilay boky.
4 Indro misy fanipazan-kevitra hafa iray:
◼ “Ny ankamaroan’ny tanora dia mitady olo-malaza hotahafina, nefa sarotra ny mahita olo-malaza tsara hotahafina. Namela ny ohatra lavorary ho an’ny rehetra i Jesosy Kristy. [Vakio ny 1 Petera 2:21.] Ny fiainany manontolo dia nihodinkodina teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny Rainy any an-danitra. Hanao ahoana ny fiainana, araka ny hevitrao, raha betsaka kokoa ny olona miezaka ny hanahaka azy?” Avelao ilay olona hamaly. Asio firesahana ny fehintsoratra fahefatra eo amin’ny pejy mialoha ny farany amin’ilay boky, izay milazalaza ireo toetra tsara manokana nananany. Hazavao fa ny boky Lehilahy Niavaka dia afaka manampy antsika rehetra ho tonga Kristiana tsara kokoa.
5 Mety ho tianao ny hampiasa zavatra toy izao:
◼ “Rehefa misy manonona an’i Jesosy Kristy, dia olona maro no mieritreritra azy, na ho toy ny zazakely, na ho toy ny olona mijaly efa ho faty. Ny fiheveran’izy ireo momba an’i Jesosy dia tsy mahakasika afa-tsy ny nahaterahany sy ny nahafatesany. Ireo zavatra mahatalanjona nolazainy sy nataony nandritra ny androm-piainany matetika dia tsy voamarika akory. Izay notanterahiny anefa dia misy fiantraikany eo amin’izay rehetra nandia itỳ tany itỳ. Izany no maha-zava-dehibe ny hianarantsika betsaka araka izay azontsika atao momba ireo zavatra mahatalanjona nataony ho antsika.” Vakio ny Jaona 17:3. Avadiho ho eo amin’ny pejy voalohany amin’ny teny fampidirana ny boky Lehilahy Niavaka, ary vakio ny fehintsoratra fahefatra. Hazavao ny fomba ahazoana ilay boky sy ampiasana azy hanaovana fianarana manokana.
6 Aza hadinoina ny mihazona an-tsoratra ny fahalianana sy ny boky voapetraka mba hahafahanao hanolokolo izany amin’ny alalan’ny fiverenana mitsidika. Raha mbola misy koa ny fotoana, dia aoka isika hitady amin-jotom-po ireo olona tso-po ka hanampy azy ireny ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika. — Matio 16:24.