Ampirisiho Mafy Izy Ireo mba ho Tonga Mpanara-dia Azy
1 Ao amin’ny 1 Korintiana 3:6, i Paoly dia nanoratra hoe: “Izaho namboly, Apolosy [nanondraka, NW], fa Andriamanitra no nampitombo.” Nampiasa io fomba fanjohian-kevitra io i Paoly mba hanampiana ireo rahalahiny hahita fa ilaina ny miasa amim-piraisan-tsaina eo ambanin’ny fahefan’i Kristy. Tamin’izany fomba izany izy dia nanampy azy ireo koa hahatakatra ny anjara lehibe dia lehibe noraisin’izy ireo teo amin’ilay asa fambolena sy fanondrahana lehibe.
2 Io asa famonjena aina io dia tokony hovitaina amin’izao andro izao mihitsy. Amin’ny maha-Kristiana nanolo-tena antsika, dia samy manana ny andraikitra lehibe hanampy ny hafa ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy isika. (Asa. 13:48). Amin’ny fomba ahoana no hanolokoloanao ny fahalianana azonao notairina tamin’ny fampiasana ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany?
3 Raha miverina hitsidika olona iray nandray ilay boky ianao, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Fony isika niresaka farany, dia nandinika hoe nanao ahoana i Jesosy Kristy tamin’ny naha-olombelona azy. Faly aho namela taminao ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Inona no nanohina ny fonao indrindra momba ny fampianaran’i Jesosy sy momba ny toetrany?” Avelao ilay olona hamaly. Avadiho ho eo amin’ny toko faha-113 ilay boky, ary diniho ny oha-panetren-tena faran’izay niavaka nomen’i Jesosy. Vakio ny Filipiana 2:8 mba hampisehoana ny fomba fijerin’ny apostoly Paoly ny fihetsika feno fanetren-tenan’i Jesosy. Azonao atao avy eo ny manazava fa misy zavatra betsaka kokoa azo ianarana amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka.
4 Mety ho tianao kokoa izao fampidiran-dresaka izao:
◼ “Niresaka isika momba ireo zavatra nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany, izay mampiseho fa miahy antsika marina izy. Inona, araka ny hevitrao, no hataony amin’ny farany mba hitondrana fanamaivanana ho an’ireo izay nijaly aoka izany?” Avelao ilay olona hamaly. Avadiho ho eo amin’ny toko faha-133 ilay boky, ary diniho ireo fanazavana eo amin’ny fehintsoratra fahadimy. Avadiho ho eo amin’ny sary eo amin’ny pejy manaraka ilay boky, ary hazavao hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra. Sorito ireo soa horaisina amin’ny fianarana misimisy kokoa.
5 Raha tsy noraisina ilay boky tamin’ny voalohany, dia angamba ianao ho afaka hanomboka ny resakao amin’izao fomba izao:
◼ “Ataoko fa samy manaiky isika sy ianao fa olona maro amin’izao andro izao no mampifanaraka ny fiainany amin’ny an’ny olona iray izay raisiny ho olona hotahafiny. I Jesosy Kristy no olona hotahafina tsara indrindra mety hananan’iza na iza. Maniry hizara aminao lesona iray lehibe aoka izany izay azoko tamin’ny fianarako ny ohatra navelan’i Jesosy, aho. [Avadiho ho eo amin’ny toko faha-40 ny boky Lehilahy Niavaka, ary sariho ny saina ho amin’ilay lesona nahafinaritra nomen’i Jesosy momba ny famindram-po.] Izy io dia nampahatsiahy ahy tamin-kery fa tena mila maneho io toetra tsara io amin’ny hafa ny tenako.” Vakio ny Matio 5:7. Atolory ilay boky na ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
6 Na mety ho tianao ny hanandrana izao tari-dresaka mivantana izao:
◼ “Fony aho teto farany, dia nandinika ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana momba an’i Jesosy isika. Milaza ny Jaona 17:3 fa midika ho ‘fiainana mandrakizay’ ny fandraisana izany fahalalana izany. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manao izany?” Avelao ilay olona hamaly. Tohizo ny resaka amin’ny fanazavana ny fandaharantsika ny amin’ny fampianarana Baiboly sy ny fomba andraisana soa avy amin’izany.
7 Milaza i Paoly fa ny mpiasa amin’ny fijinjana dia “handray izay valim-pitiany (...) araka ny fisasarany”. (1 Kor. 3:8). Raha miezaka mafy sy amin-kery isika amin’ny fanampiana ny hafa ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy, dia azo antoka fa ho lehibe ny valim-pitiantsika.