Asehoy fa Miahy ny Olona Ianao Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika
1 Ny fitadiavana ireo olona liana eo amin’ny asa isan-trano dia mampiseho ny fanirianao hanome ho an’ny hafa ny fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Koa aza hadinoina àry ny manolokolo ny fahalianan’ireo mandray zavatra vita an-tsoratra mandritra ny volana Janoary, satria izany dia fomba tsara dia tsara hampisehoanao fa miahy ny hafa ianao.
2 Raha nametraka ny boky “Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany” ianao, dia azonao atao ny manandrana manohy ny resakao toy izao:
◼ “Talohan’izao, dia efa niresaka momba ny filalaovana fitia [ankizilahy sy ankizivavy ‘mampiaraka’], izay fanaon’ny tanora maro amin’izao andro izao, isika. Inoako fa irinao ny hahalala ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny amin’io raharaha io. Raha sitrakao, dia hojerentsika izay voalaza eo amin’ny pejy faha-152, eo amin’ny fehintsoratra faha-24, amin’ilay boky hoe ‘Ny Fahatanoranao’ napetrako taminao.” Azo vakina sy dinihina izay voalaza ao amin’io fehintsoratra io.
3 Ho azonao atao ny hanolokolo ny fahalianan’ny olona nandray ny bokikely “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?” amin’izao fanipazan-kevitra izao:
◼ “Tamin’ny farany aho dia nametraka bokikely iray tahaka itỳ, izay mampipoitra fanontaniana lehibe iray hoe: ‘Tena miahy antsika ve Andriamanitra?’ Rehefa avy namaky itỳ bokikely itỳ ianao, inona moa no fanatsoahan-kevitra nataonao? [Avelao ilay olona hamaly.] Azo inoana fa nahazo fampaherezana ianao tamin’ny famakiana ireo andinin-teny izay mampanantena tontolo vaovao iray zary paradisa, izay hahafahantsika hiaina amim-piadanana. [Asehoy ireo sary eo amin’ny pejy faha-2 sy faha-3, ary hazavao ny sasany amin’ireo lafin-javatra manintona ao amin’ny tontolo vaovao.] Tena mino aho fa ianao sy ireo olon-tianao dia haniry hiaina ao amin’ny tontolo toy izany. Mariho ange izay lazain’ny fehintsoratra faha-16 eo amin’ny pejy faha-31 momba izany e.” Vakio ilay fehintsoratra, ary hazavao fa ny hoe mitady an’i Jehovah dia midika hoe mianatra bebe kokoa momba azy sy ireo fikasany amin’ny fianarana ny Teniny, dia ny Baiboly.
4 Namela ohatra lavorary ny amin’ny Mpiandry be fitiavana izay miahy ny ondriny i Jehovah. (Ezek. 34:11-14). Ny ezaka ataontsika amim-pahatsorana mba hanahafana ny fiahiany feno fitiavana dia mahafaly azy sy mampiseho ny fitiavantsika ary mitondra fitahiana ho an’ny hafa.