Manehoa Fiheverana ny Hafa — Fizarana Faha-2
1 Araka izay azo atao, dia irintsika ny hihazona fifandraisana tsara amin’ny olona monina eo amin’ny manodidina antsika. Izany dia mitaky ny hanehoantsika fiheverana sy fanajana ny zo sy ny fihetseham-pon’izy ireny.
2 Fantatra noho ny fahalalam-pombany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahazoana teny fankasitrahana maro ny fari-pitsipika feno fahalalam-pomba ananantsika eo amin’ny mpiara-monina, any an-tsekoly, any amin’ny toeram-piasana, ary koa any amin’ireo fivoriambentsika. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1989, pejy faha-20.
3 Ny fitondran-tena tsara dia tsara, mazava ho azy, dia mahatafiditra zavatra maro, toy ny fanaovana ny marina sy ny fahazotoana ary fari-pitondran-tena tsara. Tafiditra amin’izany koa ny fanajana ny olona mipetraka manodidina ny Efitrano Fanjakana. Ny fitondran-tenantsika araka an’Andriamanitra amin’ny lafiny hafa dia mety tsy ho hitan’ny hafa raha tsy maneho fiheverana ny mpiara-belona amintsika isika. Nampirisika mafy antsika i Paoly mba ‘hitondra tena mendrika ny filazantsara’. — Fil. 1:27.
4 Indraindray dia nisy fitarainana nataon’ny olona mipetraka eo akaikin’ny Efitrano Fanjakana sasany noho izay noheverin’izy ireo fa tsy fahampiam-piheverana nasehon’ireo mpamonjy fivoriana. Ny rahalahy sy ny anabavy dia tokony hanalavitra ny fivorivoriana eny amin’ny sisin-dalana manoloana ny Efitrano Fanjakana sy ny fanaovana resaka mitabataba izay ho re ao amin’ireo trano eo akaiky. Tsy tokony havela hihazakazaka hiditra sy hivoaka ny Efitrano Fanjakana ny ankizy. Hanelingelina ny mpiara-monina ny fanakarapohana ny varavaran’ny fiara na ny fampanenoana klaxon tsy amim-piheverana. Manamatroka ny lazan’ny kongregasiona ny fitondran-tena karazan’izany. Zava-dehibe koa ny hitandremantsika ny lalàna momba ny fifamoivoizana rehefa mamily fiara eo amin’ilay faritra isika. — Rom. 13:1, 2, 5.
5 Ny fiara dia tsy tokony hapetraka eny amin’ny proprieté privée na amin’ny toerana izay hanakantsakana ny fifamoivoizana na hanentsina ny lalana fidirana any amin’ny tranon’olona. Tsy tokony hampiasaina raha tsy nahazoan-dalana ny parking hazonin’ny tranom-barotra ho an’ny clients-ny. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona telo na efatra Efitrano Fanjakana iray ihany, ireo fivoriana dia alamina saiky isan’andro mandritra ny herinandro, ka mitaky fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo fitambaran-doholona izany. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1989, pejy faha-17, fehintsoratra faha-13.
6 Ny Baiboly dia mampirisika mafy antsika mba ‘hanao ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’, ary tafiditra amin’izany ny fampisehoana fiheverana ny olona eny ivelany. (1 Kor. 10:31-33). Raha ‘maneho fiheverana ny raharahan’ny hafa’ isika, dia tsy hiditra tsy nasaina sy tsy amim-piheverana ao amin’ny tanin’izy ireo. (Fil. 2:4, NW ). Hanalavitra koa ny fisalovanana amin’ny raharahan’ireo mpivarotra eo an-toerana isika.
7 Ny fanehoana fiheverana ny hafa — na ao anatin’ny kongregasiona na any ivelany — dia fampisehoana etỳ ivelany izay tsapantsika ao am-pontsika. Izay ataontsika sy lazaintsika dia tokony hanaporofo fa ‘tia ny namantsika tahaka ny tenantsika’ isika. — Matio 7:12; 22:39.