FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/95 p. 1
  • Velom-pankasitrahana Noho Izay Ananantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velom-pankasitrahana Noho Izay Ananantsika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • “Misehoa ho mahay mankasitraka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Asehoy fa Mahay Misaotra Ianao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 4/95 p. 1

Velom-pankasitrahana Noho Izay Ananantsika

1 “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Rom. 5:8). Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika rehetra noho ny sorona fara tampony nataon’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ho antsika! Tamin’ny alalan’ny ra nalatsak’i Kristy, isika dia manana fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay, zavatra izay tsy azon’ny olombelona omena antsika.

2 Ahoana no ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika? Misy olona maro izay mangetaheta ny fahalalana marina, izay tsy mety ho hita afa-tsy ao amin’ny Teny Masin’Andriamanitra. Ny sitrapon’i Jehovah dia ny mba hahatongavan’izy ireny amin’ny fahalalana ny marina. (1 Tim. 2:4, NW). Maneho ny fankasitrahantsika ny fahamarinana isika amin’ny ‘fitoriantsika ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra’. (Lioka 4:43, NW). Ny fandraisantsika anjara amin’ny fo rehetra amin’io asa io dia mampiseho fa mankasitraka ny nahafatesan’i Kristy ho antsika isika sady maniry ny hanahaka azy amin’ny fankatoavantsika amim-pahatokiana ny didiny hanao mpianatra olon-kafa. — Matio 28:19, 20.

3 Inona no fomba sasany hanaovana ny asa fitoriana misokatra ho antsika? Azontsika atao ve ny mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy indraindray? Rehefa avy nihevitra izay ho lany ny sasany, dia mety ho afaka hanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Amin’ny fanararaotana an’ireny fahafahana tsara dia tsara ireny dia afaka mampitombo ny habetsahan’ny fotoana lanintsika hampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika. Tamin’ny lasa ianao dia mety ho efa nieritreritra ny hirotsaka amin’izany, kanefa nisy ny vato nisakana. Angamba efa niova ny toe-javatra misy anao. Raha izany no izy, efa nosaintsaininao lalina ve ny hanao ny asan’ny mpisava lalana na hanompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy?

4 Manjary lalina kokoa ny fankasitrahantsika rehefa mijery izay mitranga manodidina antsika, isika. Eo ny fitomboan’ny herisetra sy ny fankahalana ary ny fifandrafiana, maneran-tany. I Paoly dia nilazalaza tsara ny androntsika ho “fotoan-tsarotra” sy “tsy mora setraina”. (2 Tim. 3:1, NW). Eo anivon’izany toe-piainana mampahory izany, isika dia manana vaovao tsara be dia be hambara amin’ny hafa. Manana gazety roa tsara dia tsara isika, dia Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Amin’itỳ volana itỳ isika dia afaka manolotra azy ireo mandeha singany na amin’ny alalan’ny famandrihana. Manana bokikely momba ny foto-kevitra maro koa isika. Ireny zavatra vita an-tsoratra ireny dia mitondra tena famelombelomana ho an’ireo izay mamaky azy. Ny fankasitrahantsika noho izay ananantsika dia tokony hanosika antsika ho malala-tanana amin’ny fizarana azy ireny amin’ny hafa. — Heb. 13:16.

5 Mety tsy haneho fahalianana firy amin’ny zavatra ara-panahy ny olona ao amin’ny faritra misy anao. Mifanohitra amin’izany kosa fa misy faritany izay ahitam-bokatra. Azonao atao ve ny manompo any amin’ny faritra iray eto Madagasikara izay tena ilana ny fanampianao? Mety hanana fanipazan-kevitra sasany ny mpiandraikitra ny fizaran-taninareo momba an’io raharaha io. Na mahita olona tsy mahay ny teny malagasy ianao. Mety ho tian’izy ireny kokoa ny hamaky zavatra amin’ny fiteniny, toy ny frantsay, anglisy, gujarati, sinoa na rosiana, ary mety hanintona kokoa azy ireny izany. Misy ao amin’ny Sampana ny sasany amin’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny ary azonareo atao ny manafatra izany. Ataovy ny anjaranao amin’ny fitondrana ny vaovao tsara, eny, fa na dia amin’ireo olona vahiny aza, ary dia handray tsara ireo olona toy ny ondry.

6 Manana antony maro tokony hahavelom-pankasitrahana noho izay ananantsika isika, dia zava-tsoa tondraka marina tokoa. Ny fomba tsara indrindra azontsika anehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah dia amin’ny fampahafantarana ny anarany sy ny fikasany amin’ny olon-kafa. — Isaia 12:4, 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara