Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! — Gazety ho An’ny Androntsika Mahadodona!
1 Ho fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, dia mitranga ny fisehoan-javatra manozongozona an’itỳ tontolo itỳ! Rehefa mandinika izay miseho manodidina antsika eo amin’itỳ tontolo itỳ sy eo anivon’ny fandaminana teokratika isika, dia afaka mahatakatra tsara ny maha-dodona ny hitoriantsika “ny vaovao tsara” momba ilay Fanjakana. (Marka 13:10, NW). Izany dia manome antsika antony hanohizana ny fanompoantsika amin-jotom-po mandritra ny volana Aprily.
2 Ny maha-zava-dehibe ny hafatra entintsika dia antitranterin’ilay asa manokana hatombotsika amin’itỳ volana itỳ. Dodona isika eo am-piandrasana ny famoahana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana izay hozaraintsika mandritra ny volana Aprily sy May. Mba hampitomboana ny hafanam-pontsika hanao io asa io sy mba hanolokoloana ny fahalianan’ny olona ao amin’ny faritanintsika, Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia hisy lahatsoratra tonga amin’ny fotoana ilana azy izay hanantitrantitra fa misy heviny ara-paminaniana ireo fisehoan-javatra mampikorontan-tsaina eo amin’itỳ tontolo itỳ. Ahoana no ahafahantsika manomana fomba fampiseho izay hanaitra ny fahalianan’ny olona amin’ireo gazetintsika?
3 Azo inoana fa ho afaka hanana fomba fampiseho iray mandaitra ianao amin’ny fanarahana ireto dingana fototra manaraka ireto: 1) Mifantena lahatsoratra iray avy ao amin’ny iray amin’ireo gazety, izay hitanao fa hanintona ny olona eo amin’ny manodidina anao. 2) Singano avy ao amin’io lahatsoratra io ny fanambarana iray na andinin-teny voatonona iray, izay inoanao fa hanaitra ny fahalianan’ilay tompon-trano. 3) Manomàna fomba fampiseho fohy iray izay misy fiarahabana amim-pisakaizana, fanontaniana na fanambarana iray izay manasongadina hevitra ara-baiboly iray mahaliana sy fanasana amim-pahatsorana mba handraisan’ilay tompon-trano an’ireo gazety. Araka ny hitanao, dia tena tsotra sy tsy sarotra manao ahoana akory ny fanaovana izany. Angamba ianao ho afaka hihaona amin’ny mpitory iray miara-miasa aminao eo amin’ny fanompoana ka hanomana fomba fampiseho iray.
4 “Ny Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 1 Aprily dia manao izao fanontaniana izao: “Ny Fivavahana — Foto-dresaka Fady Ve?” Rehefa manolotra io gazety io ianao, dia ho afaka hilaza hoe:
◼ “Voalaza matetika fa ny fivavahana dia foto-dresaka iray izay tsy tokony horesahina satria miteraka ady hevitra be. Ahoana ny hevitrao momba izany?” Avy eo dia miresaha momba ny fanambarana iray ao amin’ilay lahatsoratra.
5 Alohan’ny hivoahana eny amin’ny asa fitoriana, nahoana raha manao fanazaran-tena ny amin’ilay fomba fampiseho nomaninao, miaraka amin’ny mpitory hafa iray mba hahaizanao tsara azy io? Azo inoana fa ho afaka hifanome fanipazan-kevitra mahasoa izay hampitombo ny fandairan’ny fanompoanareo sy hahatonga anareo hatoky tena kokoa ianareo.
6 Arakaraka ny anakekezan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia enga anie isika ka hampitombo ny fiezahantsika hanampy ireo olona tso-po mba handositra an’i Babylona Lehibe. (Apok. 18:4). Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia manana anjara asa lehibe eo amin’io asa tsy hiverina intsony io. Velom-pankasitrahana isika noho ny nanomezan’i Jehovah ireo fitaovana tsara dia tsara ireo mba hampiasaintsika!