Mampifoha Antsika Amin’ny Lafiny Ara-panahy ve Ireo Fampahatsiahivan’i Jehovah?
1 Nidera an’i Jehovah ny mpanao salamo, ka nanao hoe: “Ny [fampahatsiahivanao, NW] no fisaintsainako.” (Sal. 119:99). Ny teny hebreo nadika hoe “fampahatsiahivana” dia mampita ilay hevitra hoe i Jehovah dia mampahatsiaro antsika izay voalaza ao amin’ireo lalàny sy fandidiany ary didiny. Raha mandray tsara azy ireny isika, dia hampifoha antsika amin’ny lafiny ara-panahy sy hahatonga antsika ho sambatra izy ireny. — Sal. 119:2, NW.
2 Amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, dia mahazo fananarana sy torohevitra tsy tapaka isika. Be dia be amin’izy ireny no efa rentsika teo aloha. Na dia mankasitraka izany fampaherezana izany aza isika, dia mirona hanadino. (Jak. 1:25). Manome amim-paharetana fampahatsiahivana mampiseho fitiavana i Jehovah. Nirakitra an-tsoratra ny sasany amin’ireny fampahatsiahivana ireny ny apostoly Petera mba ‘hamohazana ny fahaizantsika misaina mazava mba hitadidiantsika ireo didin’ny Tompo’. — 2 Pet. 3:1, 2, NW.
3 Ampahatsiahivana antsika miverimberina ny momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana manokana sy ny fanatrehana fivoriana. Atao izany satria ireo fanaovan-javatra ireo dia zava-dehibe aoka izany ho an’ny fahasalamantsika ara-panahy. — 1 Tim. 4:15; Heb. 10:24, 25.
4 Ny zava-tsarotra lehibe indrindra ho an’ny sasany dia ny fanatanterahana ny fanirahana kristiana hitory. Mitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra ary faharetana izy io. Na dia mitaky zavatra be dia be amintsika aza izy io, dia ampiana isika mba ‘hifahatra’ amin’ny ‘fikiraroan’ny tongotsika ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsara’. — Efes. 6:14, 15.
5 Tsy maintsy manana antony manosika mihoatra noho ny fahalalan’ny saina fotsiny ireo fepetra takin’i Jehovah isika mba hanaovana ny fanompoantsika. Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa ny fo no manome ilay antony manosika ilaintsika mba hanaovana “fanambarana ampahibemaso ho amin’ny famonjena”. (Rom. 10:10, NW). Raha manana finoana matanjaka isika ary raha mirona ho amin’ireo fampahatsiahivan’i Jehovah ny fontsika, dia ho voatosika mafy hiteny amim-pahasahiana isika eo am-panomezana fiderana ny anarany. — Sal. 119:36, NW; Matio 12:34.
6 Rehefa misasatra manatontosa asa tsara isika, dia manampo ara-drariny fa hitondra fifaliana ho antsika izany. (Mpit. 2:10). Mampahafantatra ny fifaliana ho iray amin’ny vokatry ny fanahin’i Jehovah i Paoly, ary tokony hitady indrindra izay hanehoana azy io isika. (Gal. 5:22). Nanampy teny i Petera fa ny “ezaka mafy” dia hovalian-tsoa amin’ny fanompoana mamokatra, izay miteraka fifaliana. — 2 Pet. 1:5-8, NW.
7 Rehefa miatrika zava-tsarotra iray isika, dia tokony hitadidy ny fifaharan’ireo apostoly, araka ny nambarany hoe: “Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” (Asa. 4:20). Hatanjahina isika mba hanohy hatrany rehefa mitadidy fa ‘raha manao izany isika, dia hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika’. — 1 Tim. 4:16.
8 Tsy sosotra na mahatsapa fahatezerana isika noho ny fahazoana fampahatsiahivana tsy an-kijanona. Mifanohitra amin’izany kosa fa mankasitraka lalina ny hasarobidin’izy ireny isika. (Sal. 119:129, NW). Amin’izao fotoan-tsarotra izao, dia velom-pisaorana isika fa tsy mitsahatra mandefa fampahatsiahivana ho antsika i Jehovah mba hampifoha antsika amin’ny lafiny ara-panahy sy mba hanomezana antony manosika antsika mba ho be zotom-po amin’ny asa tsara dia tsara! — 2 Pet. 1:12, 13, NW.