Nientam-po ny Rehetra Tamin’ny Famoahana Ilay Boky Vaovao
Manasongadina ny Fahalalana An’Andriamanitra Ilay Boky Vaovao
1 Tamin’ny fivoriamben’ny distrikantsika farany teo, dia ravoravo toy inona moa isika noho ilay fandaharana manontolo! Tamin’ny asabotsy tolakandro dia tondraka ny hafaliantsika rehefa nandre ny fampandrenesana momba ilay boky vaovao hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, sy ny fanazavana mifandray aminy nanaraka izany. Ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto an-tany dia mila fahalalana, izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy — fahalalana an’Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy. — Ohab. 2:1-6; Jaona 17:3, NW.
2 Tamin’ny fomba velombelona toy inona moa no nilazalazan’ilay mpandahateny ireo fizarana ao amin’ilay boky! Ireo lohateny mambabon’ireo toko, ireo fanoharana azo ampiharina, ny fampisehoana ny fahamarinana amin’ny fomba manorina, ireo fanontaniana tsy sarotra, ary eo amin’ny faran’ny toko tsirairay, ireo faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Tsapao ny Fahalalanao”, dia anisan’ireo lafiny misongadina izay hanintona ireo rehetra mamaky azy io. Ireo olona ampianarintsika ny Baiboly anefa no handray soa indrindra, eo am-pahazoany haingana ireo fototry ny fampianaran’ny Baiboly.
3 Nandritra ireo lahateny famaranana ny asabotsy sy ny alahady, no nampirisihana antsika mba hanana fianaram-pianakaviana amin’io boky vaovao io. Izao dia efa azo inoana fa nanjary nahalala tsara izay raketiny isika. Tsy isalasalana fa efa niresaka koa momba ireo hevitra tokony hotadidina ao an-tsaina rehefa hanolotra an’io boky vaovao io eny amin’ny saha, ianareo.
4 Hevitra tokony hodinihina indray: Mety hotsaroanareo fa rehefa nanolotra ilay foto-kevitra hoe “Ny Antony Ilan’ny Olombelona ny Fahalalana An’Andriamanitra” ilay mpandahateny, dia nanantitrantitra hevitra maromaro, ka anisan’izany izao manaraka izao: 1) Rehefa mampiasa an’io boky io mba hitarihana fampianarana ianareo, dia tsy fahendrena ny mampiditra fanazavana avy any ivelany izay mety hanakona ireo hevi-dehibe; mifantoha fotsiny amin’ny fampitana izay porofoin’ilay boky isaky ny toko. 2) Antonona ny halavan’ireo toko, hany ka mazàna dia ho afaka hamakafaka toko iray isaky ny mianatra ianareo. 3) Eo amin’ny faran’ny toko tsirairay, ireo fanontaniana ao amin’ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Tsapao ny Fahalalanao”, dia hanome famerenana voafintina.
5 Ampiasao any amin’ny fampianarana Baiboly izy io: Maromaro ihany ireo mpitory nanontany raha fahendrena ny hifindrana ho amin’io boky vaovao io, any amin’ny fampianarana Baiboly tarihiny. Raha efa lasa lavitra ianareo amin’ilay boky ianaranareo amin’izao fotoana izao, dia hahasoa ny hamitana ny fianarana an’izany boky izany. Raha tsy izany, dia anolorana hevitra ny hiampitanareo ho amin’ny boky Fahalalana. Raha nampiasa bokikely iray na taratasy mivalona iray mba hanombohana fampianarana Baiboly ianareo, dia ampidiro ilay boky vaovao amin’ny fotoana mety, ka ampiasao amin’ilay fampianarana. Hisy fanazavana bebe kokoa momba ny fampiasana ny boky Fahalalana, hivoaka ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’ireo volana ho avy.
6 Nanome an’io boky vaovao io i Jehovah mba hanampiana antsika hampianatra ny hafa momba ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ankehitriny dia mila miomana tsara sy mandray anjara feno amin’ny asa mbola tokony hatao isika.