Ataovy Miharihary ny Fandrosoanao
1 Ataovy jery todika ny fotoana tamin’ny lasa nandrenesanao voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanaitra ny fanirianao hahazo fahalalana sy fahazoan-kevitra ireo fahamarinana tsotra. Tsy ela dia afaka nahita ny nilana hanaovana fanitsiana teo amin’ny fomba fiainanao ianao satria avo kokoa noho ireo lalantsika ireo lalan’i Jehovah. (Isaia 55:8, 9). Nanao fandrosoana ianao, nanolotra ny fiainanao, ary natao batisa.
2 Na dia taorian’ny nanaovana fandrosoana ara-panahy sasany aza, dia mbola nisy fahalemena tsy maintsy noresena ihany. (Rom. 12:2). Angamba ianao nanana tahotra olona izay tsy nampahazoto anao handray anjara tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Na angamba ianao tsy naneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Tsy niahotra ianao fa tapa-kevitra kosa ny hanao fandrosoana tamin’ny famerana tanjona teokratika ho an’ny tenanao.
3 Taona maromaro izao no mety ho efa lasa hatramin’ny nanaovanao ny fanoloran-tenanao. Amin’ny fanaovana jery todika ny lasa, fandrosoana inona no hitanao eo amin’ny tenanao? Nahatratra ny sasany tamin’ireo tanjonao ve ianao? Manana ilay zotom-po nanananao tany ‘am-piandohana’ ve ianao? (Hebreo 3:14). Efa Kristiana matotra nanana fanandraman-javatra an-taonany maro i Timoty rehefa nampirisika azy mafy toy izao i Paoly: “Saintsaino izany zavatra izany; ataovy ho anisan’ny tenanao izany, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — 1 Tim. 4:15, NW.
4 Ilaina ny fandinihan-tena manokana: Rehefa misaintsaina ny lalana narahintsika tamin’ny lasa isika, hitantsika ve fa mbola manana ny sasany amin’ireo fahalemena nananantsika fony isika nanomboka isika? Tsy nahatratra ny sasany tamin’ireo tanjona noferantsika ve isika? Raha eny, nahoana? Na dia nanana fikasana tsara aza isika, dia mety ho nangataka andro. Angamba isika namela ny fiahiahian’izao fiainana izao na ny faneren’itỳ fandehan-javatra itỳ hampiahotra antsika. — Lioka 17:28-30.
5 Raha tsy afaka manao zavatra firy momba ny lasa isika, dia tena afaka manao zavatra momba ny hoavy kosa. Afaka manao fanombanana amim-pahamarinana ny tenantsika isika, sy mamantatra hoe inona no tsy ampy amintsika ary avy eo dia manao ezaka nafantoka tsara mba hihatsarana. Mety hila hanao tsaratsara kokoa amin’ny fanehoana ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra isika, toy ny fifehezan-tena, ny fahalemem-panahy, na ny fahari-po. (Gal. 5:22, 23, NW). Raha sarotra amintsika ny mifankahazo amin’ny hafa na ny miara-miasa amin’ireo loholona, dia zava-dehibe ny hambolentsika fanetren-tena sy toe-tsaina tsy manambony tena. — Fil. 2:2, 3, NW.
6 Afaka mampiharihary ny fandrosoantsika ve isika amin’ny fiezahana hanatratra tombontsoam-panompoana? Amin’ny fanaovana ezaka fanampiny, ireo rahalahy dia mety ho afaka hahafeno fepetra mba ho mpanampy amin’ny fanompoana na ho loholona. Ny sasany amintsika dia mety ho afaka hirotsaka ho mpisava lalana maharitra. Ho an’ny maro kokoa, ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy dia mety ho tanjona azo tratrarina. Ny hafa dia mety hikely aina mba hanatsarana ny fahazarany manao fianarana manokana, hahatongavana ho mpandray anjara mavitrika kokoa any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, na ho mpitory mahita vokatra kokoa ao amin’ny kongregasiona.
7 Anjaran’ny tsirairay amintsika, mazava ho azy, ny manapaka hoe aiza no ilantsika hanaovana fandrosoana. Afaka matoky isika fa ny ezaka am-pahatsorana ataontsika mba ‘hiezahana hanatratra ny fahamatorana’ dia hampitombo be dia be ny fifaliantsika sy hahatonga antsika ho mpikambana mahita vokatra kokoa ao amin’ny kongregasiona. — Heb. 6:1, NW.