Mitenena Amim-pahasahiana
1 Nandritra ireo taona faramparany, ny mpitory any amin’ny faritra sasany dia mahita fa mihasarotra ny miresaka amin’ny olona any an-tranony. Manao tatitra ny maro fa any amin’ny faritanin’izy ireo, dia mihoatra ny 50 isan-jaton’ny olona no tsy ao an-tranony rehefa atao ny fitsidihana isan-trano. Ho vokany, dia lany tsy nahitam-bokatra ny ankabeazan’ny fotoana.
2 Taona maro lasa izay, dia hita tao an-tranony ny olona maro rehefa alahady, andro izay noheverina ho andro fialan-tsasatra tamin’ny ankapobeny. Niova ny fomba amam-panao. Mahazatra ny olona amin’izao andro izao ny manao asa andraisam-bola, ny mikarakara ny zavatra ilain’ny fianakaviana toy ny fiantsenana, na ny mandray anjara amin’ny fanarian-dia, izay mitondra azy ireo lavitra ny tranony koa. Koa na dia ny alahady aza, dia nanjary zava-manahirana ny mifandray amin’olona amin’ny isan-trano.
3 Rehefa tsy ao an-tranony ny olona, dia midika mazava izany fa any amin’ny toeran-kafa izy ireo. Koa satria ny tanjontsika dia ny hiresaka amin’olona, nahoana raha miresaka amin’ireo mihaona amintsika — eny an-dalana, eny an-tsena, na ao amin’ny toeram-piasana? Fanaon’i Paoly ny nanatona “izay tafavory”, mba hanao fanambarana tamin’izy ireo. (Asa. 17:17). Voaporofo fa endrika fanambarana nahitam-bokatra izy io tamin’izany, ary endrika fanambarana ahitam-bokatra amin’izao androntsika izao.
4 Rehefa mandeha isan-trano isika, dia mazàna mahita olona mandehandeha tsy misy anton-dia, na angamba miandry olona. Rehefa tsara ny andro, dia mety hipetraka eny amin’ny banc amin’ny zaridainam-panjakana na manamboatra na manasa ny fiarakodiany, izy ireo. Ny tsiky amim-pisakaizana sy ny fiarahabana amin’ny fomba sariaka dia mety ho ny hany ilaintsika mba hanombohana resaka. Raha monina eo akaiky izy ireo, dia afaka milaza mihitsy aza isika fa angamba vao avy nifandiso taminy ary ankehitriny, dia faly fa manana izao fahafahana izao hiresahana amin’izy ireo. Tamin’ny fanombohana nampiseho fahasahiana misimisy kokoa, dia maro no nahita fanandraman-javatra nahafa-po.
5 Misy vokany ny fahasahiana: Nitantara ny rahalahy iray fa izy dia manatona ny olona mijorojoro, miandry aotobisy, mandehandeha miala voly, na mipetraka ao anaty fiarakodiany. Amim-pitsikiana mafana sy amin’ny feo falifaly, dia manao zavatra toy ny hoe mpiray tanàna sariaka iray izay maniry hitsidika fotsiny izy. Tamin’izany fomba izany dia tsy vitan’ny hoe nahapetraka zavatra vita an-tsoratra be dia be fotsiny izy, fa nanomboka fampianarana Baiboly maromaro koa.
6 Ny rahalahy hafa iray sy ny vadiny dia nitsidika isan-trano rehefa nifanena tamin’ny vehivavy iray nandeha an-tongotra nitondra harona lehibe nisy enta-madinika. Nanomboka niresaka izy ireo, ka nidera azy noho ny fahazotoany miahy izay ilain’ny fianakaviany. “Iza anefa”, hoy izy ireo nanontany, “no afaka manome izay ilain’ny taranak’olombelona?” Nanaitra ny fahalianan’ilay vehivavy izany. Ny resaka fohy dia nitarika ho amin’ny fanasany ho any an-tranony izay nanombohana fampianarana Baiboly iray.
7 Koa amin’ny fotoana manaraka hanaovanao fanambarana isan-trano, na alahady izany na andro hafa amin’ny herinandro, ka hitanao fa tsy ao an-tranony ny olona, nahoana raha misikina fahasahiana misimisy kokoa ary miresaka amin’ny olona izay mihaona aminao — eny an-dalana na any amin’ny toeran-kafa? (1 Tes. 2:2, NW ). Mety hahazo fanompoana mahavokatra kokoa ianao, ary hanandrana fifaliana lehibe kokoa amin’ny fanompoanao.