FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/96 p. 3
  • Fiomanana — Fanalahidin’ny Fahombiazana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiomanana — Fanalahidin’ny Fahombiazana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona, ka Manomàna Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitondra Fifaliana ny Fanaovana Fanomanana Mialoha
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • “Vonona ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 3/96 p. 3

Fiomanana — Fanalahidin’ny Fahombiazana

1 Ny fiomanana mialoha dia hanampy mba handresena izay fisalasalana rehetra mety ho tsapan’ny olona iray momba ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Rehefa manatona ny varavarana ianao, dia ho fantatrao izay tianao holazaina amin’ireo tompon-trano. Tsy voatery hatahotra ireo zava-tsarotra mety ho hitanao ianao. Rehefa mody avy any amin’ny fanompoana ianao, dia hahatsiaro tena ho nampaherezina, noho ny fahafantarana fa nanao ezaka tsara teo amin’ny fanompoana ianao.

2 I Paoly dia nanantitrantitra ny ilana ny ho vita fiomanana, tamin’ny fampirisihana mafy antsika mba ‘hikiraro ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotsika’. (Efes. 6:15). Tafiditra amin’izany ny fanomanana ny saintsika sy ny fontsika ary koa ny fahazoana fomba fijery manorina sy fihetsika ta hanao zavatra an-tsitrapo. Rehefa voaomana mba hizara ny fahamarinana amin’ny hafa isika, ny asantsika mafy dia hahazo vokatr’ilay Fanjakana ho valisoa, ka hahatonga antsika ho sambatra. — Asa. 20:35.

3 Ny fomba fiomanana ho amin’ny asa fitoriana: Tokony hifantina fomba fampiseho izay manavanana antsika isika, angamba avy amin’ireo anolorana hevitra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra na ireo hita ao amin’ny pejy farany amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asio fiheverana amim-pitandremana ilay andininy kasainao hampiasaina, ka fantaro izay teny na fitambaran-teny hoantitranterinao mba hampiavaka ny hevi-dehibenao. Tsy ilaina ny mianatra tsianjery ilay fomba fampiseho; faran’izay tsara kosa ny hahazoana ilay hevitra ao an-tsaina sy ny hanaovana azy amin’ny fiteninao manokana ary hilazana azy amin’ny fomba izay heverinao fa hanintona ilay mihaino anao.

4 Diniho tsara ny zavatra vita an-tsoratra kasainao hatolotra, ary mifidiana hevitra mahaliana azo resahina sasany. Mifantena zavatra izay heverinao fa hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninao. Eritrereto ny fomba mety hanitsianao ny fomba fampisehonao amin’ny tompon-trano samy hafa — lehilahy, vehivavy, olona be taona, na tanora.

5 Efa nanandrana nanao fotoam-panazaran-tena ve ianao? Miaraha amin’ny mpianakavy na mpitory hafa mba hiresaka momba izay fomba fampiseho mety handaitra, ary avy eo dia anaovy famerenana amin’ny feo avo izy ireny mba hananan’ny rehetra azy ao an-tsaina tsara. Miezaha hanahaka toe-javatra sy fanoherana tena misy izay ho hita eny amin’ny faritany. Ny fanazaran-tena toy izany dia hanatsara ny fahaizanao miteny tsy miahotrahotra sy hampitombo ny fahitanao vokatra eo amin’ny fitoriana ary hanorina ny fatokian-tenanao.

6 Fanampin’ny fiomanana sy ny fanaovana fanazaran-tena amin’ny fomba fampisehonao, dia tokony hanontany tena koa ianao hoe: ‘Moa ve mifanentana amin’ny fanompoana ny fitafiana kasaiko hanaovana? Misy izay ilaiko ve ao anaty kitapoko, anisan’izany ny zavatra vita an-tsoratra kasaiko hampiasaina? Tsy misy simba ve izy ireo? Manana ny bokiko Fanjohian-kevitra, taratasy mivalona sy firaketana an-tsoratra isan-trano ary stylo ve aho?’

7 Rehefa avy nanao izay tratran’ny herintsika mba hiomanana isika, dia tokony hivavaka mba hahazoana ny fanahin’i Jehovah mba hanampy antsika hahita fahombiazana. (1 Jaona 5:14, 15). Ny fanisiana fiheverana amim-pitandremana ny fiomanana dia hahatonga antsika hahita fifaliana bebe kokoa eo amin’ny asantsika, eo ‘am-panatanterahantsika ny fanompoantsika amin’ny fomba feno’. — 2 Tim. 4:5, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara