FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/98 p. 1
  • Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ampiasana Ireo Fomba Fampiseho?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Aoka Ianao Hiahy ny Olona, ka Manomàna Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Aelezo Ireo Gazety Manambara ny Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Tokony Hanova Hatrany ve Aho?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 2/98 p. 1

Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!

1 Manome antsika tsy an-kijanona fomba fampiseho anolorany hevitra mba hampiasaina eny amin’ny fanompoana, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manome antsika hevitra vaovao mba hanairana fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izany. Angamba ianao manao ezaka isam-bolana mba hianarana iray na maromaro amin’ireny fomba fampiseho ireny. Kanefa, ny mpitory sasany dia mety hahita fa rehefa avy nampiasa ny iray tamin’ireny imbetsaka izy, dia manome fomba fampiseho vaovao Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana hafa iray. Miharihary fa mety tsy ho azon’ny rehetra atao ny hianatra fomba fampiseho vaovao, alohan’ny hahaizana tsara ny teo aloha.

2 Mazava ho azy fa misy mpisava lalana sy mpitory hafa an’arivony maro izay mandany fotoana be dia be amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Ankoatra izany, dia kongregasiona maro no mahavita ny faritaniny manontolo ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo mpitory dia mankasitraka ny fananana fomba fampiseho sy hevitra vaovao, mba hampisehoana ilay hafatra. Manampy azy ireo hanatsara ny fahaizany izany. Mahatonga ny fanompoany ho mahaliana sy ahitam-bokatra kokoa koa izany, ary manampy azy ireo hiatrika ny fihaikana hitany.

3 Na ahoana na ahoana, raha efa nanomana fomba fampiseho iray izay mandaitra mba hambolena fahalianana ianao, dia manohiza mampiasa azy! Tsy ilaina ny mitsahatra tsy hampiasa fomba fampiseho iray mandaitra izay misy vokany. Ampifanaraho amin’ny zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny volana fotsiny ilay izy. Rehefa mandinika ny fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ianao, dia mitadiava hevitra mahaliana izay mety hirinao hampidirina ao amin’ny fomba fampiseho ampiasainao.

4 Koa rehefa mahazo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana vaovao ianao, dia tsarovy fa ireo fomba fampiseho raketiny dia fanoloran-kevitra fotsiny. Raha afaka mampiasa azy ireo ianao, dia tsara. Raha efa nahita fomba fampiseho iray izay misy vokany eny amin’ny faritaninao anefa ianao, dia ampiasao ilay izy! Ny zava-dehibe dia ny ‘manatanteraka ny fanompoanao’ amin’ny fomba tsara, ka hahita ireo olona mendrika ary hanampy azy ireo ho tonga mpianatra — 2 Tim. 4:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara