Tahafo ny Finoan’izy Ireo
1 Ny apostoly Paoly dia namaritra ny finoana ho “ny fiandrasana azo antoka ny zavatra antenaina, ny fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza”. Nanampy teny izy fa “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka [amin’Andriamanitra]”. (Heb. 11:1, 6, NW ). Nampirisika antsika mafy i Paoly mba haneho finoana sy hanana azy io tondraka ary hikatsaka azy io. — 2 Kor. 4:13, NW; Kol. 2:7 NW; 2 Tim. 2:22, NW.
2 Misy oha-pinoana miavaka maro voatantara ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny Hebreo toko faha-11, i Paoly dia manome lisitra lavan’ireo vavolombelona izay nampiseho finoana tsy azo noravana. Tafiditra ao amin’io lisitra io i Abela, ilay voalohany natao maritiora noho ny finoany. Ao amin’ilay lisitra i Noa satria, noho ny finoany, dia nampiseho ilay fahatahorana araka an’Andriamanitra izay nilaina mba hamonjena ny ankohonany, izy. Anaovana teny fiderana i Abrahama noho ny finoany sy ny fankatoavany. Deraina i Mosesy satria, noho ny finoany, dia naharitra toy ny nahita Izay tsy hita izy. Lava aoka izany ilay lisitry ny oha-pinoana, hany ka nilaza i Paoly fa tsy ho ampy ny fotoanany raha manohy mitantara azy rehetra izy. Velom-pisaorana toy inona moa isika, noho isika afaka manatanjaka ny finoantsika amin’ny fandinihana ny ‘fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra’! — 2 Pet. 3:11.
3 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanontany i Jesosy hoe: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” (Lioka 18:8). Araka izany àry, moa ve manana oha-pinoana velona isika eo anivontsika amin’izao andro izao? Moa ve isika mahita lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, maneho finoana tsy azo hozongozonina an’i Jehovah, toy ny nataon’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly?
4 Oha-pinoana amin’ny andro maoderina: Mahita tokoa oha-pinoana miavaka isika manodidina antsika! Mendri-kotahafina ny finoan’ireo mpiandraikitra izay mitarika eo anivontsika. (Heb. 13:7). Nefa tsy ireo no hany miavaka raha ny amin’ny finoana. Miaraka amin’ny kongregasiona tsirairay, dia misy olona tsy mivadika izay manana tantara lava momba ny fanompoana amim-pahatokiana an’i Jehovah, izay tanterahina matetika ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra.
5 Tsy maintsy talanjona isika noho ireo anabavintsika izay, nandritra ny taona maro, dia niaritra fanoherana avy tamin’ny vadiny mpanohitra. Ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany dia voatery niatrika ny fihaikana hitaiza zanaka irery. Misy vehivavy be taona maty vady eo anivontsika izay tsy tapaka mihitsy amin’ny asan’ny kongregasiona na dia mety ho tsy manana havana hanampy azy aza. (Ampitahao amin’ny Lioka 2:37, NW .) Talanjona isika noho ny finoan’ireo izay miaritra aretina mitaiza. Maro no manohy manompo amin’ny tsy fivadihana na dia misy zavatra mametra izay mety ho vitany aza, ka misakana azy tsy ho voatendry ho amin’ny tombontsoam-panompoana amboniny. Eo ireo Vavolombelona tanora izay maneho finoana amin-kerim-po na dia eo aza ny fanoherana any an-tsekoly. Mihamatanjaka ny fifikirantsika amin’Andriamanitra arakaraka ny andinihantsika ireo mpisava lalana mahatoky izay maharitra isan-taona isan-taona ao anatin’ny zava-manahirana tsy hay lazaina. Tsy misy hafa amin’i Paoly, dia tsy ho ampy ny fotoanantsika raha miezaka hitantara ny fanandraman-javatra rehetra eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana sy ny asam-pinoana tanterahin’ireo rahalahy sy anabavy ireo isika!
6 Ireny ohatry ny olo-mahatoky ireny dia manome antsika fampiononana sy fampaherezana. (1 Tes. 3:7, 8). Maneho fahendrena isika raha manahaka ny finoan’izy ireo satria “izay olona mahatoky no ankasitrahan[’i Jehovah]”. — Ohab. 12:22.