FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/96 p. 2
  • Iasao Amin’ny Fomba Feno ny Faritaninao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iasao Amin’ny Fomba Feno ny Faritaninao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitoriana any Amin’ny Faritany be Fandraharahana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Manana Faritany ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Tontosainao Tsara ve ny Fanompoanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mitoria eny Amin’ny Faritany Be Toeram-piasana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 10/96 p. 2

Iasao Amin’ny Fomba Feno ny Faritaninao

1 Any amin’ny faritra misy fonenan’olona, dia mahita toeram-pivarotana kely, toy ny épicerie, hotely fisakafoana, na fivarotana enta-madinika, isika indraindray. Raha tiana ny hiasana ireny toerana ireny toy ny sisa amin’ilay faritany, dia tokony hitsidika azy ireny toy ny atao amin’ireo trano fonenan’olona ianareo.

2 Afaka mampiasa fomba fampiseho tsotra sy fohy ianao, angamba amin’ny filazana hoe: “Misy zavatra tiako haseho anao itỳ.” Raha hitanao fa sahirana ilay tompony amin’io fotoana io, dia ho azonao atao fotsiny ny hanolotra taratasy mivalona sy hilaza hoe: “Handalo indray aho amin’ny manaraka, rehefa tsy sahirana loatra ianao. Tiako ho fantatra izay eritreretinao momba itỳ.”

3 Tsy misy ilana ny hatahorana ny hanao io asa io. Hoy ny tatitra nataon’ny mpitory iray: “Nanampo ny fihetsiky ny olona ho tsy tsara aho. Kanefa, gaga aho fa ny nifanohitra tamin’izany indrindra ny fihetsiny teo anoloan’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tena nahalala fomba sy sariaka izy ireo ary saika nandray ireo gazety foana.”

4 Ny vehivavy iray niasa tao amin’ny kaompania mpanera trano sy tany dia nampandroso ireo Vavolombelona tao amin’ny biraony. Nandray ireo gazety izy ary naneho ny faniriany hianatra Baiboly. Naseho azy ny boky Fahalalana, ary natomboka teo no ho eo, tao amin’ny biraony mihitsy, ny fianarana!

5 Tafiditra ao amin’ny fanendrena hiasa ny faritaninao amin’ny fomba feno ny fitsidihana olona mitantana raharaha eo amin’ny faritra misy azy. (Asa. 10:42, NW ). Manaova fandaharana mba hitsidihana ireny varavarana ireny, tsy misy hafa amin’ny tokantranon’olona manokana. Tsy vitan’ny hoe ho voasa tsara kokoa ny faritaninao amin’izany, fa mety hovalian-tsoa ianao amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra mahafinaritra!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara