FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/96 p. 8
  • Manome Tari-dalana ny Tenin’andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manome Tari-dalana ny Tenin’andriamanitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Baiboly — Mpitari-dalana avy Amin’Andriamanitra ho An’ny Olona Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fomba Fanolorana Boky sy Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mamaly Fanontaniana Maro ny Fahalalana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • “Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 12/96 p. 8

Manome Tari-dalana ny Tenin’andriamanitra

1 “Miaina eo amin’ny tontolo iray feno zava-manahirana maro loatra sy valiny vitsy kely loatra isika. Misy olona an-tapitrisany maro tsy tapaka no noana. Mitombo ny isan’ireo andevozin’ny zava-mahadomelina. Mihabetsaka ny fianakaviana rava. Re amin’ny vaovao tsy an-kijanona ny amin’ny fandriana amin’ny havana akaiky sy ny herisetra eo anivon’ny fianakaviana. Ny rivotra fohintsika sy ny rano sotrointsika dia mihavoapoizina tsikelikely. Miaraka amin’izany koa, dia mihamaro amintsika no iharan’ny heloka bevava.”

2 Amin’ireo teny ireo no manomboka ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Ny fampidiran-dresaka ao anatiny dia mifanentana kokoa aza amin’izao andro izao noho ny tamin’ny fito taona lasa, rehefa navoaka ilay boky. Mila mahalala ny olona fa manome tari-dalana sy vahaolana amin’ny zava-manahirana rehetra izay mamely azy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Hiezaka isika hanampy ny olona amin’ny fanolorana aminy ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? amin’ny Desambra. Mazava ho azy fa ny fametrahana fotsiny zavatra vita an-tsoratra amin’ny olona iray dia tsy antoka fa hanaiky ny tari-dalan’Andriamanitra izy. Tsy maintsy manao fiverenana mitsidika isika ka ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona. Azo antoka fa hahazo fanampiana isika raha manao ezaka toy izany. (Matio 28:19, 20). Indreto misy fomba fampiseho sasany anoloran-kevitra:

3 Raha sendra olona be taona ianao, dia ho azonao atao ny hanandrana an’izao tari-dresaka izao:

◼ “Mamelà ahy hanontany anao: Fony ianao mbola tanora, ahoana no nifampitondran’ny olona teo amin’ny fiaraha-monina? [Avelao ilay olona hamaly.] Hafa be ny toe-javatra amin’izao andro izao, sa tsy izany? Inona no heverinao fa nahatonga ilay fiovana? [Avelao ilay olona hamaly.] Mahita marina ny fahatanterahan’ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly isika izao. [Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.] Ankoatra ny filazalazana marina an’izao tontolo izao araka ny maha-izy azy amin’izao andro izao, ny Baiboly dia mampanantena tontolo iray tsara kokoa amin’ny hoavy tsy ho ela. Noho izany antony izany no ampirisihanay ny tsirairay mba hamaky ny Baiboly.” Asehoy ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, ary sariho ny saina ho amin’ny toko faha-10 izay manazava faminaniana iray hafa izay hitantsika fa tanteraka. Atolory ilay boky.

4 Rehefa miverina any amin’ny olona be taona izay nametrahanao ilay boky ianao, dia ho afaka hilaza an’izao:

◼ “Fony isika niresaka farany, dia niray hevitra isika fa amin’ny fomba maro, ny fitambaran’olona maoderina dia niharatsy kokoa raha oharina amin’ny fiainana taona vitsivitsy lasa monja izay. Kanefa, niverina aho mba hampiseho aminao fa milazalaza fahatsinjovana tontolo iray tsara lavitra amin’ny hoavy ny Baiboly. [Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.] Ny fahalalana fa Tenin’Andriamanitra izy io dia tokony hampirisika antsika handinika izay zavatra hafa koa lazain’ny Baiboly.” Sokafy ao amin’ny toko faha-14 ny boky Tenin’Andriamanitra, ary vakio ny fehintsoratra faha-3-4. Manolora fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano.

5 Raha manombo-dresaka amin’ny tanora iray ianao, dia ho afaka hilaza an’izao:

◼ “Tiako ny hametraka fanontaniana iray aminao: Amin’ny maha-tanora anao, heverinao ve fa manana antony hijerena lafy tsaran-javatra momba ny hoavy ianao? Ahoana no mba fahitanao ny hoavy? [Avelao ilay olona hamaly.] Soa ihany fa misy antony marina hijerena lafy tsaran-javatra momba ny hoavy. [Vakio ny Salamo 37:10, 11.] Koa satria ny olona manana fomba fijery samihafa ny amin’ny Baiboly sy ny zavatra raketiny, dia nanonta itỳ boky itỳ izahay: Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Mariho ny antony arosony ny amin’ny tokony hamakiana ny Baiboly. [Vakio ny fehintsoratra faha-16-17 ao amin’ny pejy faha-10-11.] Raha vao miaiky isika fa marina izay lazain’ny Baiboly, dia manjary manana fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy isika. Raha irinao ny hamaky itỳ boky itỳ, dia ho faly aho ny hametraka iray aminao.”

6 Rehefa miverina mba hitsidika tanora iray izay nandray ny boky “Tenin’Andriamanitra” ianao, dia ho azonao atao ny hanomboka amin’ny filazana hoe:

◼ “Nankasitrahako ny nandre hoe manahy fatratra momba ny hoavy ianao. Tsaroanao ve fa nampiseho anao andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly izay mampanantena hoavy sambatra sy milamina aho. Indro misy iray hafa. [Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.] Ilay boky napetrako taminao dia manome porofo mampiaiky fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, fa tsy tenin’olona. Misy vokany lalina sasany izany. Mariho hoe inona avy izy ireo. [Vakio ny fehintsoratra voalohany sy faha-2 ao amin’ny pejy faha-184-185.] Raha tianao, dia ho faly aho hiara-mianatra ny Baiboly aminao maimaim-poana.”

7 Ny olona iray izay tsy mahalala izay itodihana mba hahazoana tari-dalana handresena ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana dia mety handray tsara an’izao tari-dresaka izao:

◼ “Miaina amin’ny fotoana izay iatrehan’ny saiky ny olon-drehetra zava-manahirana lehibe isika. Maro no mitodika any amin’izao karazana mpanolo-tsaina rehetra izao mba hahazoana tari-dalana. Ny sasany miantehitra amin’ireo olona mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy mba hahazoana fanampiana. Aiza no heverinao fa ahitantsika torohevitra marim-pototra izay tena mandaitra amintsika tokoa? [Avelao ilay olona hamaly.] Milaza zava-misy iray lehibe izay ilaintsika rehetra ho takatra ny Baiboly.” Vakio ny Jeremia 10:23. Sokafy ao amin’ny pejy faha-187 ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? ary vakio ny fehintsoratra faha-9. “Hanampy anao itỳ boky itỳ hahatakatra ny fomba hanesorana ny zava-manahirana rehetra mianjady amintsika, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tianao ve ny hamaky azy itỳ?”

8 Raha toa, tamin’ny fitsidihana voalohany, ka niresaka momba ny ilan’ny olombelona tari-dalana ianao, dia ho afaka hanohy ilay resaka ianao amin’ny fiverenana mitsidika amin’ny filazana hoe:

◼ “Fony isika nihaona voalohany, dia niray hevitra isika fa mila tari-dalana avy amin’Andriamanitra isika raha tiantsika ny hiatrika amim-pahombiazana an’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Momba izany, dia heveriko fa hankasitrahanao ny teny famaranana ao amin’ilay boky izay napetrako taminao iny. [Vakio ny fehintsoratra 12-13 ao amin’ny pejy 189 amin’ny boky Tenin’Andriamanitra.] Faly aho manolotra ho anao fampianarana Baiboly maimaim-poana atỳ an-tokantrano, ary vonona aho ny hampiseho azy io aminao izao.”

9 Hitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah eo am-panampiantsika ny olona be taona sy ny tanora koa hahatakatra ny hasarobidin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny tari-dalany eo amin’ny fiainantsika. — Sal. 119:105.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara