FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/96 p. 4
  • “Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Mamaly Fanontaniana Maro ny Fahalalana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fampielezana ny Fahalalana Izay mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitarika Ho Amin’ny Fiainana Ny Fahalalana An’ilay Andriamanitra Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Ampio Ny Hafa Hahazo Ilay Fahalalana Izay Mitarika Ho Amin’ny Fiainana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 11/96 p. 4

“Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”

1 Ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 17:3 (NW ) dia tokony horaisina ho zava-dehibe. Izay nolazainy no tiany hambara — midika ho fiainana mandrakizay ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra sy i Kristy! Kanefa, moa ve amin’ny alalan’ny fananantsika fotsiny fahalalana an’i Jehovah sy i Jesosy no hamaliana soa antsika amin’ny fiainana mandrakizay? Tsia. Ireo Isiraelita dia nahalala fa i Jehovah no Andriamanitr’izy ireo, nefa tsy nanome taratr’izany finoana izany ny fomba fiainan’izy ireo. Ho vokany, dia namoy ny fankasitrahany izy ireo. (Hosea 4:1, 2, 6). Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no mety ‘hazoto ho an’Andriamanitra; saingy tsy araka ny fahalalana’. (Rom. 10:2). Ilain’izy ireny ny hanjary hahalala an’i Jehovah, “ilay hany Andriamanitra marina” sy hianatra hanompo azy araka ny mety. Ho fikendrena izany, mandritra ny volana Novambra isika dia hanolotra ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tari-dresaka inona no hampiasainao amin’ny fampisehoana ny boky Fahalalana? Indreto misy fanoloran-kevitra sasany izay mety hanampy anao.

2 Koa satria vaovao amin’ny ankamaroan’ny olona ny hevitra ny amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany, dia mety hisarika ny fahalianana izao fampidiran-dresaka izao:

◼ “Mametraka fanontaniana iray amin’ny mpiara-belona aminay izahay. Raha tolorana fanasana hiaina mandrakizay eo amin’ny tontolo iray toy izao ianao, hanaiky izany fanasana izany ve ianao? [Asehoy ny sary ao amin’ny pejy faha-4-5 amin’ny boky Fahalalana. Avelao ilay olona hamaly.] Tena mety hanjary toe-piainana sambatra io ho anao. Kanefa, inona no heverinao fa tsy maintsy hataonao mba hahitana azy io ho tonga zava-misy ho anao? [Avelao ilay olona hamaly.] Mariho hoe fanaovan-javatra inona no takina mifanaraka amin’ny Jaona 17:3. [Vakio.] Itỳ boky itỳ dia manampy olona maro hahazo an’io karazana fahalalana manokana io. Ho tianao ve ny hahazo iray ho anao manokana mba hovakinao? [Avelao ilay olona hamaly.] Amin’ny fitsidihako manaraka, dia ho azontsika atao ny hiresaka momba ny antony maha-ara-dalàna ny inoana fa afaka mahazo fiainana mandrakizay eto an-tany eto mihitsy isika.”

3 Rehefa miverina mitsidika an’ireo izay niresahana momba ny Jaona 17:3 ianao, dia ho azonao atao ny hanohy amin’izao fomba izao:

◼ “Nandritra ny fitsidihako farany, dia novakiko taminao ireo teny mambabo nataon’i Jesosy, hita ao amin’ny Jaona 17:3, izay nanomezany toky antsika fa ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra sy ny tenany dia midika ho fiainana mandrakizay. Olona maro anefa no mino fa tsy ho azo atao ny hahita fiainana tsaratsara kokoa raha tsy any an-danitra ihany. Ahoana ny hevitrao momba izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Raha mora raisina ilay boky napetrako taminao iny, dia ho tiako ny hampiseho aminao andinin-tenin’ny Baiboly sasantsasany izay manaporofo fa ho tafaorina eto an-tany indray ny Paradisa. [Diniho ny fehintsoratra faha-11-16 ao amin’ny pejy faha-9-10 ao amin’ny boky Fahalalana.] Amin’ny fitsidihako manaraka, dia ho tiako ny hampiseho aminao ny antony ahafahanao mitoky amin’ireo fampanantenana hita ao amin’ny Baiboly ireo. Mandra-pahatongan’izany, dia angamba ianao ho afaka ny hamaky ny toko faha-2 amin’ilay bokinao.”

4 Indro misy fomba fampiseho izay mety hirinao hampiasaina amin’ny olona tia fivavahana:

◼ “Miresaka amin’ny mpiara-belona aminay momba ny antony isian’ny fivavahana samy hafa maro dia maro eto an-tany izahay. Misy fivavahana 10 000 eo ho eo manerana ny tany manontolo. Kanefa, tsy misy afa-tsy Baiboly iray ihany. Araka ny hevitrao, nahoana no misy izany fisafotofotoana ara-pivavahana izany? [Avelao ilay olona hamaly. Sokafy ho eo amin’ny toko faha-5 ny boky Fahalalana ary vakio ny fehintsoratra voalohany.] Hahazo valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ianao amin’ny famakianao an’itỳ toko itỳ. Ho faly aho hametraka an’itỳ boky itỳ aminao raha irinao ny handinika azy.” Raha noraisina ilay izy, dia manaova fandaharana hentitra hiverenana, ary milazà hoe: “Rehefa miverina aho, dia angamba ho afaka ny hiresaka isika hoe lalana samy hafa fotsiny mitarika ho amin’ny toerana iray ihany ve ny fivavahana rehetra?”

5 Rehefa miverina ianao mba hanohy ilay resaka momba ny antony mampisy fivavahana maro dia maro toy izao, dia ho afaka hilaza an’izao:

◼ “Fony aho niresaka farany taminao, dia napoitrako ilay fanontaniana hoe lalana samy hafa fotsiny mitarika ho amin’ny toerana iray ihany ve ny fivavahana rehetra? Inona no hevitrao momba izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Ho tiako ny hampiseho aminao izay nolazain’i Jesosy momba izany, ao amin’ilay boky napetrako taminao iny. [Avadiho ho ao amin’ny toko faha-5 ny boky Fahalalana ary vakio ny fehintsoratra faha-6-7, anisan’izany ny Matio 7:21-23.] Mety hanontany tena ianao hoe nahoana no zava-dehibe aoka izany ny mahalala marina izay sitrapon’Andriamanitra. Ho hitanao fa ireo fehintsoratra manaraka dia tena hanome fanazavana. Iangaviana ianao hamaky ny ambin’itỳ toko itỳ. Amin’ny fotoana manaraka hahatongavako, dia ho faly aho hampiseho aminao ny hasarobidin’ny fananana fahalalana araka ny marina ny Baiboly.”

6 Matetika ny tari-dresaka mivantana dia mahomby mba hanombohana fampianarana Baiboly. Indro misy fampidiran-dresaka iray anoloran-kevitra, izay hita ao amin’ny pejy faha-12 amin’ny boky “Fanjohian-kevitra”:

◼ “Mitsidika anao aho mba hanolotra ho anao fampianarana Baiboly maimaim-poana atỳ an-tokantrano. Raha azoko atao, dia ho tiako ny haka minitra vitsivitsy monja mba hampisehoana aminao ny fomba iarahan’ny olona any amin’ny tany 200 eo ho eo midinika ny Baiboly any an-tokantranony amin’ny maha-fianakaviana. Afaka mampiasa na inona na inona amin’ireto foto-kevitra ireto ho fototry ny dinika isika. [Asehoy ireo loha hevitra ao amin’ny pejy faha-3 amin’ny boky Fahalalana.] Iza amin’ireo no mahaliana anao manokana?” Andraso ilay olona hifidy. Avadiho ho ao amin’ilay toko voafidy ilay boky, ary atombohy ny fianarana eo amin’ny fehintsoratra voalohany.

7 Indro misy tari-dresaka mivantana iray hafa izay ho azonao andramana mba hanombohana fampianarana:

◼ “Manome fianarana Baiboly maimaim-poana aho ary mbola misy malalaka ho an’ny mpianatra fanampiny ao amin’ny fandaharam-potoanako. Itỳ fitaovana fanampiana amin’ny fianarana Baiboly itỳ no hampiasaintsika. [Asehoy ny boky Fahalalana.] Tsy maharitra afa-tsy volana vitsivitsy monja ny fianarana ary manome valiny ho an’ny fanontaniana toy ny hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Nahoana isika no mihantitra sy maty? Inona no manjo an’ireo olo-malalantsika nody mandry? Ary ahoana no ahafahantsika manatona akaiky an’Andriamanitra?” Avy eo dia manontania hoe: “Azoko atao ve ny mampiseho aminao ny fomba fianarana?” Raha lavina ilay fanolorana fampianarana, dia manontania raha ho tian’ilay olona ny hanana ny boky Fahalalana hovakin’ny tenany manokana.

8 Harena toy inona moa ny fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra sy an’i Kristy ho an’izay rehetra manana azy io! Ny fandraisana azy io dia midika marina ho fiainana mandrakizay ao amin’ny toe-piainana tonga lafatra. Aoka isika hampiasa ny fahafahana rehetra hizara amin’ny hafa ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, mandritra ny volana Novambra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara