Fisoratana Anarana ho Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
1 Ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia niasa ho toy ny fitaovana iray teo amin’ny fampiofanana Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro amin’ny maha-minisitry ny vaovao tsara. Maro amintsika no mahatsiaro ny tahotra sy ny tsy fahampiam-pahaizana tsapantsika fony isika nisoratra anarana voalohany ho amin’io sekoly io, ary ankehitriny isika dia manaiky amim-pankasitrahana ny anjara asan’izy io teo amin’ny fitomboantsika ara-panahy amin’ny maha-mpandahateny sy mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:13.) Efa nisoratra anarana ho amin’io sekoly miavaka io ve ianao?
2 Iza no afaka misoratra anarana? Mamaly toy izao ny pejy faha-73 amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika: “Izay rehetra mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fiainan’ny kongregasiona dia afaka misoratra amin’izany, anisan’izany ireo olona manatrika vao haingana ny fivoriana, raha tsy manana fiainana mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izy ireny.” Manasa an’ireo rehetra manana ny toetra ilaina — lehilahy sy vehivavy ary ankizy — izahay mba hanatona ny mpiandraikitra ny sekoly sy hangataka mba hosoratana anarana.
3 Fandaharana amin’ny sekoly amin’ny 1997: Ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika amin’ny 1997 dia mahafaoka fampianarana maro karazana ao amin’ny Baiboly. Ankoatra ny fampitomboana ny fahaizantsika mandaha-teny sy mampianatra, dia miana-javatra avy amin’ireo zava-tsarobidy ara-panahy maro izay hita ao amin’ny fandaharam-pampianarany isan-kerinandro isika. (Ohab. 9:9). Raha manomana an’ilay sekoly isika, tafiditra amin’izany ny manao famakiana Baiboly isan-kerinandro, sy raha manatrika azy io tsy tapaka, dia afaka manovo soa ara-panahy lehibe avy amin’ilay fandaharana.
4 Ho amin’ny 1997, ny ankamaroan’ny famakiana Baiboly ho an’ny Anjara No. 2 dia fohy kokoa noho ny tamin’ireo taona lasa. Rehefa manomana an’io anjara io ilay mpianatra, dia tokony hijery amim-pitandremana ny fotoan’ny famakian-teniny ary avy eo dia hamaritra hoe ny toy inona amin’ireo dimy minitra voatokana ho amin’ny anjarany no azo ampiasaina ho fampidiran-dresaka sy famaranana. Izany dia hamela an’ilay mpianatra hampiasa ny fotoanany manontolo sy hampitombo miaraka ny fahaizany mamaky teny sy ny fahaiza-mandaha-teny an-tehaka. — 1 Tim. 4:13.
5 Ny fanambarana tsy ara-potoana dia nampiana ho faritra azo atao fomba fampiseho amin’ny Anjara No. 3, izay miorina amin’ny boky Fahalalana. Noho izany, ny anabavy iray dia mety hifidy fiverenana mitsidika, na fampianarana Baiboly any an-tokantrano, na fanambarana tsy ara-potoana ho faritra ho an’itỳ anjara itỳ. Mazava ho azy fa tokony ho ny fampianarana mandaitra no hoantitranterina hatrany fa tsy ny faritra.
6 Na ny hanao ny lahateny fampianarana, ny fanasongadinana hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly na ny anjaran’ny mpianatra no tombontsoa omena anao, dia afaka mampiseho ny fankasitrahanao ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ianao amin’ny fanomanana sy ny fanaovana famerenana tsara ny anjaranao, amin’ny fampisehoana azy io amim-piekena sy hafanam-po, amin’ny tsy fihoarana eo amin’ny fotoana, amin’ny fihainoana sy fampiharana ny torohevitry ny mpiandraikitra ny sekoly, ary amin’ny fiezahana foana hanatanteraka ny anjaranao amim-pahatokiana. Amin’izay ny fisoratanao anarana ho amin’ilay sekoly dia ho hita fa fitahiana ho anao sy ho an’izay rehetra manatrika.