Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Nahoana isika no tokony hamerina ny tatitra momba ny fanompoantsika haingana isam-bolana?
Isika rehetra dia mahatsapa fifaliana rehefa mahare momba ny zavatra tsara tontosaina eo amin’ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Jereo ny Ohabolana 25:25.) Ny Asan’ny Apostoly 2:41 dia mitatitra fa, taorian’ilay lahateny nampientana nataon’i Petera tamin’ny andro Pentekosta, dia “tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany”. Fotoana fohy taorian’izay, dia nitombo io isa io ka nahatratra “tokony ho dimy arivo”. (Asa. 4:4). Tsy maintsy ho naharavoravo an’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany toy inona moa ireny tatitra ireny! Toy izany koa ny fihetsitsika eo anoloan’ny tatitra mampahery amin’izao andro izao. Mientam-po isika mahare ny fahombiazana hitan’ireo rahalahintsika eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany.
Koa satria mila fotoana sy ezaka be ny fanambarana ireny tatitra ireny, dia tena ilaina ny fiaraha-miasan’ny mpitory ilay Fanjakana tsirairay. Moa ve ianao malina tsara raha ny amin’ny famerenana ny tatitrao haingana isam-bolana?
Manome fifaliana be antsika ireo tatitra momba ny fitomboana. Fanampin’izany, dia manampy ny Fikambanana hanara-maso ny fandrosoan’ny asa maneran-tany ireo tatitra ireo. Misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina momba ny hoe aiza no mila fanampiana bebe kokoa, na momba ny karazana sy ny habetsahan’ny zavatra vita an-tsoratra hatonta. Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona tsirairay dia mampiasa ireo tatitra momba ny fanompoana mba hamantarana izay lafiny azo hatsaraina. Ny tatitra tsara dia mampahery sy manosika antsika rehetra handinika ny fanompoan’ny tenantsika manokana, mba hihatsarana.
Ny mpitory rehetra dia mila ny manaiky ny andraikiny manokana hamerina tatitra momba ny fanompoana haingana isam-bolana. Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona no tsara toerana mba hampahatsiahy an’ireo mpitory ny amin’io andraikitra io. Izany dia satria mailaka koa izy ireo hanome fanampiana an’ireo izay mety ho sahirana handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha tsy tapaka isam-bolana. Io fampahatsiahivana io dia azo omena amin’ilay fianarana ny boky farany amin’ny volana, na amin’ny fotoana mifanentana hafa. Raha tsy misy fahafahana hamerina ireo tatitra momba ny fanompoana any amin’ny Efitrano Fanjakana, ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia afaka manangona azy ireny. Ataony azo antoka koa fa homena ny sekretera ara-potoana tsara izy ireny mba ho tafiditra ao amin’ny tatitra ataon’ny kongregasiona tsy tapaka isam-bolana amin’ny Fikambanana.
Ny fahazotoantsika mamerina amim-pahatokiana ny tatitra momba ny fanompoantsika eny amin’ny saha haingana dia manamaivana ny entan’ireo tompon’andraikitra ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy.