Manana ny Toetra Ilaina sy ny Fitaovana Hampianarana ny Hafa
1 Rehefa notendrena mba ho solontenan’i Jehovah i Mosesy, dia tsy nahatsiaro tena ho nanana ny toetra nilaina mba hanambarana ny tenin’Andriamanitra tamin’i Farao. (Eks. 4:10; 6:12). I Jeremia dia nampiharihary fa tsy natoky tena ho afaka ny ho mpaminanin’i Jehovah izy, ka nilaza tamin’Andriamanitra fa tsy nahay nandaha-teny ny tenany. (Jer. 1:6). Na dia teo aza ny tsy fananan’izy ireo fatokiana tamin’ny voalohany, ireo mpaminany roa ireo dia samy hita ho vavolombelona tsy nanan-tahotra ho an’i Jehovah. Nanana ny toetra nilaina ampy tsara izy ireo, noho Andriamanitra.
2 Amin’izao andro izao, noho i Jehovah, dia manana izay ilaintsika isika mba hanatontosana ny fanompoantsika amim-patokiana. (2 Kor. 3:4, 5, NW; 2 Tim. 3:17). Toy ny mpanamboatra fiara mahay sy manana ny fiasana rehetra, isika koa dia manana ny fitaovana ilaina mba hanatontosana amim-pahakingana ny fanompoana nanendrena antsika. Amin’ny Janoary isika dia manolotra ny boky Tafaray. Ireto fomba fampiseho anipazana hevitra manaraka ireto dia azo ampifanarahina amin’ireo olona hitantsika ao amin’ny faritanintsika.
3 Ny foto-kevitra ny amin’ny fianarana dia azo ampiasaina mba hanairana ny fahalianana amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azonao atao ny manomboka ny resaka amin’ny filazana hoe:
◼ “Amin’izao andro izao dia antitranterina be dia be ny amin’ny ilana fianarana tsara. Araka ny hevitrao, karazana fianarana inona no tokony hokatsahin’ny olona iray mba hahazoana antoka fa hahita fahasambarana sy fahombiazana be indrindra eo amin’ny fiainana ny tenany? [Avelao izy hamaly.] Soa mandrakizay no azon’ireo izay mandray fahalalana an’Andriamanitra. [Vakio ny Ohabolana 9:10, 11.] Itỳ boky itỳ dia miorina amin’ny Baiboly. Manondro ilay hany loharanom-pahalalana afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izy itỳ.” Mampisehoa ohatra voafaritra iray ao amin’ilay boky, toy ny ao amin’ny pejy faha-20, eo amin’ny fehintsoratra 1 sy 2 amin’ny toko faha-3. Atolory ilay boky ary manaova fandaharana mba hiverenana hitsidika ilay olona.
4 Rehefa miverina mitsidika tompon-trano iray niresahanao momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana ara-baiboly ianao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Tamin’ny fitsidihako farany, isika dia niresaka fa ny Baiboly no loharanon’ny fianarana izay manome antoka ny amin’ny hoavintsika mandrakizay. Mazava ho azy fa mila ezaka ny fianarana izay ilaintsika ho fantatra avy ao amin’ny Soratra Masina. [Vakio ny Ohabolana 2:1-5.] Olona maro no mahita fa sarotra ny mahazo ny hevitry ny tapany sasany ao amin’ny Baiboly. Tiako haseho vetivety ny fomba efa nampiasainay be dia be mba hanampiana olona hianatra bebe kokoa momba ireo fampianarana ara-baiboly fototra.” Amin’ny fampiasana ilay boky Tafaray napetraka taminy, dia mankanesa eo amin’ny pejy mifanentana iray ary asehoy vetivety ny fomba fianarana Baiboly. Raha maniry hanana fianarana tsy tapaka ilay tompon-trano, dia hazavao fa hiverina ianao, hitondra ilay boky fianarantsika hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.
5 Olona maro no malahelo noho ny fijalian’ankizy an-tapitrisany maro maneran-tany. Angamba ianao afaka manampy ilay tompon-trano hahita ny fomba fijerin’Andriamanitra io toe-javatra mahonena io, amin’ny filazana hoe:
◼ “Tsy isalasalana fa efa nahita vaovao nampiseho ankizy maneran-tany, izay noana sy marary ary tsy raharahaina ianao. Nahoana ireo fikambanana voakasika no tsy afaka nanatsara ny tarehin-javatra? [Avelao izy hamaly.] Andriamanitra dia tsy maniry afa-tsy izay tsara indrindra ho an’ny olombelona. Mariho izay ampanantenainy ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe, araka ny voarakitra ao amin’ny Baiboly. [Vakio ny Apokalypsy 21:4.] Itỳ boky hoe Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina itỳ, dia manome tsipiriany hafa koa momba ny tontolo iray haorin’Andriamanitra ka tsy hisian’ny fijaliana intsony.” Raha azo atao, dia sokafy ho eo amin’ny sary eo amin’ny pejy 84 sy 85 ilay boky ary miresaha momba azy io. Atolory izy io, ary manaova fandaharana ho amin’ny fitsidihana iray hafa.
6 Raha niresaka momba ny fijalian’ankizy ianao tamin’ny voalohany, amin’ny fitsidihanao manaraka dia ho azonao atao ny hanohy ilay resaka amin’ny filazana hoe:
◼ “Fony aho teto farany, dia nilaza ny fanahianao momba ny toe-javatra mahonena misy ny ankizy izay mijaly noho ny fianakaviana rava, ny mosary, ny aretina ary ny herisetra, ianao. Mampionona ny mamaky ao amin’ny Baiboly momba ny tontolo iray izay tsy hahitana na ankizy na olon-dehibe hijaly noho ny aretina, ny fanaintainana, na ny fahafatesana. Milazalaza ny fiainana tsara kokoa izay ho tonga eto an-tany ny faminaniana iray ao amin’ny bokin’i Isaia.” Vakio ary resaho ny Isaia 65:20-25. Tariho ho amin’ny fianarana ny Baiboly amin’ny boky Fahalalana ny resaka.
7 Koa satria zavatra fanaon’ny olona tia fivavahana ny mivavaka, dia azonao atao ny manomboka resaka momba io foto-kevitra io amin’ny filazana hoe:
◼ “Nisy fotoana teo amin’ny fiainan’ny ankamaroantsika, nahitantsika zava-nanahirana izay nanosika antsika hivavaka tamin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana. Kanefa, maro no mihevitra fa tsy mahazo valiny ny vavaka ataony. Toa hita mihitsy aza fa tsy ren’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana mivavaka ampahibemaso ho an’ny fandriampahalemana. Milaza izany izahay, satria mbola mampahory ny olona ihany ny ady sy ny herisetra. Tena mihaino vavaka tokoa ve Andriamanitra? Raha izany no izy, nahoana no vavaka maro be aoka izany no tsy mahazo valiny? [Avelao izy hamaly.] Ny Salamo 145:18 dia manazava izay takina mba hahazoantsika valim-bavaka. [Vakio ilay andinin-teny.] Voalohany aloha, ny vavaka atao amin’Andriamanitra dia tsy maintsy ho feno fahatsoram-po ary hifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, ny Baiboly.” Avadiho ho eo amin’ny pejy 171 ny boky Tafaray, ary vakio ny fehintsoratra faha-7, hatreo amin’ny filazana momba ny Marka 14:38. Atolory ilay boky.
8 Rehefa manohy ny resaka momba ny vavaka natao teo aloha, dia ho azonao atao ny hanandrana izao tari-dresaka izao:
◼ “Nahafinaritra ahy ilay resatsika momba ny vavaka iny. Tsy isalasalana fa ho hitanao fa mpitari-dalana mahasoa ireo hevitr’i Jesosy momba izay tokony hangatahina amin’ny vavaka.” Vakio ny Matio 6:9, 10, ary mariho ireo raharaha lehibe indrindra nasongadin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely. Asehoy ny toko faha-16 hoe “Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra”, ao amin’ny boky Fahalalana, ary anontanio raha afaka mampiseho ny fomba fianarana ilay fanazavana ao ianao.
9 Raha ny amin’ny fizarana ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny hafa, dia mety hanontany tena isika hoe: “Iza no manana ny toetra ilaina ampy tsara ho amin’ireo zavatra ireo?” Mamaly ny Baiboly hoe: ‘Isika.’ — 2 Kor. 2:16, 17, NW.