“Aoka ho Feno Fisaorana Hianareo”
1 Ny ankamaroantsika dia nampianarina tamin’ny fahazazana mba hanao hoe “aza fady” sy “misaotra”, rehefa nisy olona naneho fiheverana na hatsaram-panahy tamintsika. Mananatra antsika i Paoly mba “ho feno fisaorana” foana, ary tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah indrindra indrindra isika. (Kol. 3:15, 16). Ahoana anefa no ahafahantsika maneho fisaorana amin’ilay Mpamorona Lehibe antsika? Ary antony manokana inona avy no maha-velom-pankasitrahana antsika azy?
2 Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (1 Kor. 15:57). Amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana, isan-taona, isika dia ampahatsiahivina ny amin’ny fitiavana tsy misy fetra nasehon’Andriamanitra sy i Kristy tamin’ny fanomezana ny avotra izay manome antsika fanantenana fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Koa satria ny ankamaroantsika efa namoy olon-tiana tamin’ny fahafatesana, dia velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny fampanantenan’i Jesosy ny fitsanganan’ny maty! Diboky ny fankasitrahana koa ny fontsika, rehefa misaintsaina ny fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, ka tsy ho faty mihitsy, isika. (Jaona 11:25, 26). Ary sarotra ny mahita teny hanehoana fisaorana noho ireo fitahiana mahatalanjona rehetra mbola ho azontsika avy eo amin’ny tanan’i Jehovah ao amin’ny Paradisa an-tany ho avy. (Apok. 21:4). Mety hisy hanana antony tsara noho ireo ve ‘haha-feno fisaorana’ Andriamanitra azy?
3 Ny fomba anehoana fisaorana amin’Andriamanitra: Mety foana ny hanehoantsika ny fisaorantsika ao amin’ny vavaka amin’i Jehovah, noho ny hatsaram-pony. (Sal. 136:1-3, NW ). Voatosika haneho ny fisaorantsika aminy amin’ny fomba manorina hafa koa isika. Ohatra, tsy maintsy ho eo isika amin’ny alahady 23 Martsa, amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Mba hanampiana ny kongregasiona eo an-toerana sy ny asa maneran-tany, eo amin’izay ilainy ara-nofo, dia faly isika ‘mankalaza an’i Jehovah amin’ny fananantsika’. (Ohab. 3:9). Manohana amin’ny fomba feno an’ireo loholona isika ary miara-miasa amin’izy ireo, ka mampiseho amin’izany ny fankasitrahantsika an’i Jehovah noho ny fanampiana omeny amin’ny alalan’izy ireo. (1 Tes. 5:12, 13). Isan’andro isika dia miezaka mafy mba hihazona fitondran-tena mahitsy, izay mankalaza ny anaran’Andriamanitra. (1 Pet. 2:12, NW ). Mampifaly an’i Jehovah ireo mari-pankasitrahana rehetra avy amintsika ireo. — 1 Tes. 5:18.
4 Ny fanehoam-pisaorana tsara indrindra avy amintsika: Ny fandraisana anjara amin’ny fanahintsika manontolo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ny fankalazana ny anaran’i Jehovah, ny fanehoana fankasitrahana amim-bavaka, ary ny fiarovana ny fahamarinana amim-panehoana tsy fivadihana: ireo no anisan’ny fanehoam-pisaorana avy amin’ny fo tsara indrindra azontsika omena ny Mpamorona antsika, noho izay rehetra nataony ho antsika. Ravoravo i Jehovah mahita antsika manao zavatra ho fanompoana masina sy ho fanohanana ny sitrapony, dia ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra’. (1 Tim. 2:3, 4, NW ). Izany no antony anoinan’ny mpitory maro aoka izany ilay antso nivoaka tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Febroary, mba hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana iray na mahery amin’ny Martsa sy Aprily ary May. Ny fanaovana ezaka fanampiny eo amin’ny fanompoana dia fomba tsara dia tsara ‘hisehoantsika ho velom-pankasitrahana’ (NW ) an’Andriamanitra. Ho afaka hanatevin-daharana an’ireo mpisava lalana ve ianao amin’ny Aprily? amin’ny May?
5 Nomena fanantenana azo antoka ny hiaina mandrakizay isika. Rehefa hahita azy io tanteraka isika, dia vao mainka hanana antony tondraka isan’andro hanohizana hisaotra an’i Jehovah amim-pifaliana. — Sal. 79:13.