Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Martsa
Herinandron’ny 3 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampirisiho ny rehetra hanomboka hanasa ireo olona liana hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny 23 Martsa. Mampisehoa taratasy fanasana amin’ny Fahatsiarovana iray, ary ampirisiho ny rehetra haka maromaro aminy sy hanomboka hizara azy ireo amin’itỳ herinandro itỳ.
15 min: “Ampioreno ny Ankohonanao”. Fanontaniana sy valiny. Mampidira fanandraman-javatra avy ao amin’ny Diary 1995, pejy 228-229.
20 min: “Fanampiana Ireo Fianakaviana Hahazo Antoka fa Hanana Hoavy Maharitra Izy Ireo”. (Fehintsoratra 1-5). Manaova teny fohy momba ny fehintsoratra voalohany, ary avy eo dia resaho ny fomba azo anairana fahalianana amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana, amin’ny alalan’ny lohatenin’ireo toko, sy ireo sary miloko, ary ireo faritra famerenana. Manasà mpitory mahay hanao fampisehoana momba ireo fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra 2-5. Ampirisiho ny rehetra hanao ezaka manokana mba hametraka ilay boky amin’ny fianakaviana nampiseho fahalianana teo aloha.
Herinandron’ny 10 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahatsiahivo ny rehetra tsy hanadino hanaraka ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ny Fahatsiarovana, izay nalamina ho amin’ny 18-23 Martsa, ary aseho ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro.
20 min: “Aoka ho Feno Fisaorana Hianareo”. Fanontaniana sy valiny. Tokony hiezaka mafy ny rehetra, mba hanasa ireo mpianatra Baiboly, olona liana, mpianakavy mandray tsara, ary izay rahalahy sy anabavy nefa tsy mifanerasera amin’ny kongregasiona, mba hanatrika ny Fahatsiarovana. Mpitory iray manao fampisehoana fohy momba ny fanasana olona liana iray ho amin’ny Fahatsiarovana, amin’ny alalan’ny taratasy fanasana amin’ny Fahatsiarovana. Mampidira teny fanampiny momba Ny Tilikambo Fiambenana, 1 Oktobra 1988, pejy 11, fehintsoratra 16-17. Ampirisiho izay rehetra afaka, mba ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily sy May.
15 min: “Fanampiana Ireo Fianakaviana Hahazo Antoka fa Hanana Hoavy Maharitra Izy Ireo”. (Fehintsoratra 6-8). Manolora fanipazan-kevitra sasany mampiseho ny fomba fanolorana ny boky Fahasambaram-pianakaviana rehefa manao fitoriana tsy ara-potoana any am-piasana, any an-tsekoly, eny amin’ny zaridainam-bahoaka, na eny ambony fitateram-bahoaka, ary rehefa mamangy havana. Manasà mpitory mahay iray hanao fampisehoana momba ny fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra 6 sy 7. Ny resaka atao amin’ny fiverenana mitsidika dia tokony hanampy an’ilay olona hahatakatra fa afaka manatanjaka ny fatoram-pianakaviana ny fianarana ny Baiboly. Hatao amin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? ny fianarana, ka hafindra amin’ny boky Fahalalana any aoriana, na azo atomboka amin’ny boky Fahalalana avy hatrany.
Herinandron’ny 17 Martsa
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho ny “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana”, ary sorito ireo fandaharana momba ny Fahatsiarovana eo an-toerana. Tokony hanao fandaharana farany ny rehetra mba hanampiana ireo mpianatra Baiboly sy olona liana hanatrika.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny ataon’ny loholona iray momba ny lahatsoratra hoe “Tena Mila ny Miala Tsiny Tokoa ve Ianao?”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Septambra 1996, pejy 22-24.
15 min: “Ny Fanohanana Ara-bola Ireo Fivoriamben’ny Fizaran-tany”. Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 125-126.
Herinandron’ny 24 Martsa
9 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Hazavao fa tsy tara loatra izao mba hamenoana fangatahana ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Sorito ireo fandaharana fanampiny amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana, nalamina hatao eo an-toerana mandritra ny volana.
24 min: “Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika”. (Fehintsoratra 1-20). Fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana fohy momba ny fehintsoratra 16.
12 min: Fanampiana Mpitory Vaovao Hanomboka Hitory. Jereo indray ny fehintsoratra faha-19 amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996. Manaova fampisehoana momba ny fanomanan’ny mpitory mahay iray ny mpianatra Baiboly iray vao avy neken’ny loholona ho mpitory tsy vita batisa. Miara-mijery indray ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 111, fehintsoratra faha-2, izy ireo. Asehon’ilay mpitory za-draharaha ny zavatra azo inoana fa ho hita rehefa manao fitoriana isan-trano. Asehony koa fa tsy misy ilàna ny ho kivy raha tsy mandray tsara ny ankamaroan’ny olona. Mitantara fanandraman-javatra mampahery izy, mba hampisehoana ny fifaliana azo rehefa mahita olona tso-po mihaino isika. Miara-manomana fomba fampiseho gazety fohy sady tsotra izy ireo, ary avy eo dia manao famerenana azy io. Anaovana teny fiderana mampahery ilay mpitory, ary manao fandaharana hentitra izy ireo mba hanao fanompoana miaraka amin’itỳ herinandro itỳ.
Herinandron’ny 31 Martsa
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asao ny olona liana rehetra hanatrika ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny 6 Aprily. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Martsa. Lazao ny anaran’izay rehetra ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Resaho ny Valin’ireo Fanontanianareo.
20 min: “Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika”. (Fehintsoratra 21-33). Fanontaniana sy valiny. Resaho ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-3. Ampirisiho ny rehetra hanisa ny fiverenana mitsidika rehetra nataony nandritra ny volana, rehefa manao ny tatitra momba ny fanompoany.
10 min: Resaho ny Zavatra Atolotra Amin’ny Aprily. Manolora gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Lazao vetivety ireo fanipazan-kevitra mikasika ny fomba fanomanana fomba fampiseho gazety hita eo amin’ny fehintsoratra 3 sy 4 ary 8 ao amin’ny pejy faha-8 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996. Manasà mpitory roa hanao fampisehoana momba ny fomba fampiseho fohy iray na roa. Tokony handray an-tsoratra an’izay nandray gazety ireo mpitory ary hampiditra azy ireo ao amin’ny lalana fanaterany gazety.