Manaraha An’i Jesosy Hatrany
1 Indray mandeha, dia hoy i Jesosy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy [hatrany, NW ].” (Matio 16:24). Tena maniry hanaiky ny tenin’i Jesosy isika. Andeha hodinihintsika izay tafiditra amin’ny fitenenana tsirairay ao amin’io fanasany io.
2 “Aoka izy handà ny tenany”: Mandà ny tenantsika isika, rehefa manolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah. Ny dikan-teny fototr’ilay teny grika nadika hoe “mandà” dia hoe “milaza hoe tsia”. Midika izany fa mahafoy an-tsitrapo ny mahakasika ny tenantsika isika: ny fanirian-dazantsika, ny faniriantsika, ny zavatra mampiadana antsika, ary ny fahafinaretantsika. Tapa-kevitra ny hampifaly mandrakizay an’i Jehovah isika. — Rom. 14:8; 15:3.
3 “Hitondra ny hazofijaliany”: Ny fiainan’ny Kristiana dia fitondrana hazo fijaliana, izany hoe ny fanompoana an’i Jehovah. Ny fikelezana aina eo amin’ny fanompoana no fomba iray mety hanehoana taratry ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Tamin’itỳ taona itỳ, dia mpitory maro no efa nankafy ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Angamba anisan’izy ireny ianao, ka afaka milaza fa betsaka lavitra noho ny sorona ataonao ny fitahiana raisinao. Ireo mpitory tsy afaka ny ho mpisava lalana mpanampy dia matetika no nanao fandaharana mba handany fotoana misimisy kokoa eo amin’ny asa fitoriana. Mba hahatratrarana izany tanjona izany, dia mandamina ny fivoriany ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, aloha kokoa noho izay nataony teo aloha, ny kongregasiona sasany. Nisy nahazo vokatra faran’izay tsara koa, rehefa nanapa-kevitra ny hitsidika ‘trano iray fanampiny monja’, na hitory ‘minitra vitsivitsy fanampiny monja’.
4 Ny famerana tanjona ho an’ny tena manokana no fomba iray hafa isehoan’ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Tamin’ny fanamboarana ny fandaharam-potoanany, dia tonga mpisava lalana maharitra ny sasany. Ny hafa nifindra monina tany amin’ny faritra izay ilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa.
5 ‘Manaraha ahy hatrany’: Na dia tojo fisedrana maro aza ny mpianatr’i Jesosy, dia nampahery azy ireo ny zotom-pon’i Jesosy sy ny fiaretany teo amin’ny fanompoana. (Jaona 4:34). Nahatsapa izy ireo fa nohavaozin’ny fanatrehan’i Jesosy sy ny hafatra nentiny, ny toe-tsainy. Izany no nahatonga an’ireo izay nanaraka azy hanome taratry ny tena fifaliana marina. (Matio 11:29). Aoka àry isika hifampahery toy izany koa, mba hiaretana eo amin’ilay asa tena lehibe, dia ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra.
6 Enga anie isika rehetra samy hanaiky ilay fanasan’i Jesosy hanaraka azy hatrany, amin’ny fambolena toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Raha manao izany isika, dia hanana fifaliana lehibe dieny ankehitriny, ary ho afaka hanantena fitahiana mbola lehibe kokoa aza amin’ny ho avy.