Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Ahoana no tokony handraisana ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy?
Ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy dia tokony horaisina ho toy ny tombontsoa sady andraikitra lehibe. Mpitory an’aliny maro isam-bolana no voatendry hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ary ny sasany aza manao izany tsy an-kijanona. Midera ireny mpitory be zotom-po ireny isika. Ny toe-javatra misy azy dia mamela azy handany eo amin’ny asa fanompoana ireo 60 ora takina isaky ny volana maha-mpisava lalana mpanampy azy. Ireo loholona ary koa ny hafa dia tokony hampirisika ireo mpitory mangataka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mba hihevitra ny fanendrena azy ho zava-dehibe, ary mba hanalavitra ny fironana hanana fihetsika tsy dia miraharaha firy eo anatrehan’izany.
Toy ireo mpisava lalana maharitra ihany, ireo izay manolo-tena mba ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana na mahery dia tokony hanombana izay ho vidiny aloha. (Lioka 14:28). Tafiditra amin’izany ny fahafantarana mialoha raha afaka manampo ara-drariny ny handany ilay fotoana takina eo amin’ny asa fanompoana izy, kanefa tsy hanao tsirambina ireo andraikiny kristiana hafa. Ny fanapahan-kevitry ny olona iray mba hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy dia tokony hataony aorian’ny fandinihany amim-bavaka ny toe-javatra misy azy manokana. Tsy tokony ho taitaitran’ny fientanam-po hanao izany izy satria hoe mangataka hanao izany ny hafa. Tokony ho fanapahan-kevitra nosaintsainina tsara izany, arahina fanaovana fandaharam-potoana an-tsoratra mba hanatanterahana ilay fepetra takina. Zava-dehibe ny hamakiana ilay fangatahana amim-pitandremana sy ny hanapahana hevitra ao am-po fa afaka milaza amim-pahamarinana hoe eny amin’izay zavatra takina amin’ny tena.
Mazava ho azy fa midika ho fanaovana ezaka bebe kokoa izany. Ny volana sasany ao amin’ny taona dia tena mety tsara mba haha-“sahirana mafy” amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. (Asa. 18:5, NW). Tafiditra amin’izany ny vanin-taonan’ny Fahatsiarovana amin’ny Martsa sy Aprily ary koa ireo volana itsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny kongregasiona. Mpitory maro no faly mampihatra fahaizana mifehy ny tenany mba hanaraka fandaharam-potoana toa teritery ihany, mba hahafahany handray anjara bebe kokoa amin’ny asa fitoriana mandritra ireo volana fanaovana asa manokana ireo, ka mankasitraka ireo fitahiana tondraka izay azo matetika avy amin’izany. (2 Kor. 9:6). Mpitory maro no manao fiezahana manokana mba ho mpisava lalana mandritra ireo volana misy fialan-tsasatra sy izay volana rehetra amin’ny taona misy faran’ny herinandro feno dimy. Kanefa, rehefa manao sonia ilay fangatahana izy ireo, dia mahatakatra fa ilaina ny mifikitra amin’ilay fotopoto-pitsipika hoe ‘Aoka ny teninao hoe Eny ho Eny’ amin’ny fanaovana izay rehetra azony atao mba hanoratana hoe 60 ora na mahery eo amin’ny filazana asany amin’ny volana tsirairay anaovany ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. — Matio 5:37.
Ireo mpitory izay mety tsy ho afaka ny ho mpisava lalana dia afaka manampy amin’ny fanaovana izay hahafahany hiara-miasa amin’ireo mpisava lalana mpanampy, amin’ny fanaovana fotoana voafaritra tsara amin’izy ireo. Manampy ny hijanonana ela kokoa eny amin’ny fanompoana rehefa miara-miasa amin’ireo mpisava lalana, rehefa azo atao izany. Ny tena ankasitrahan’ireo mpisava lalana dia ny fanohanan’ireo mpitory hafa amin’ireo ora voalohany amin’ny maraina, amin’ny faran’ny tolakandro na amin’ireo ora voalohany amin’ny takariva. Faly ireo mpisava lalana mpanampy raha asain’ny hafa hiaraka aminy hanao fiverenana mitsidika sy hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Ireo izay afaka manohana ireo mpisava lalana mpanampy amin’izany fomba izany dia tsy maintsy hijinja ilay fahasambarana lehibe kokoa izay azo avy amin’ny fanomezana. — Asa. 20:35.
Ny fiezahana amim-pitandremana ataon’ireo mpisava lalana mpanampy maro dia ankasitrahana lalina tokoa. Afaka manampo ny hahazo fitahiana tondraka ireo izay afaka manao toa azy ireo. (Ohab. 10:4, NW). Rahoviana ianao no afaka hahazo ireo fifaliana azo avy amin’ny fampitomboana ny fanompoanao amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny manaraka?