Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Inona avy no fitandremana ilaina rehefa mifandray amin’olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tenantsika eo amin’ny fanompoantsika isika?
Isika dia manana antony hanampoizana fa maniry hifikitra amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony indrindra ireo rahalahintsika sy anabavintsika. Na dia izany aza, dia miaina eo amin’ny tontolo iray tsy madio sy milefitra loatra, izay tsy manana fepetra ara-pitondran-tena firy, isika. Na dia manana ny fikasana tsara indrindra aza isika, dia tsy maintsy mitandrina mandrakariva mba tsy hiteraka fahafaham-baraka na hanao zavatra tsy mety. Tafiditra amin’izany ny fitandremana rehefa manao fanompoana.
Eo amin’ny fanompoana, dia matetika isika no sendra olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tenantsika, izay toa maneho fahalianana amim-pahatsorana amin’ny fahamarinana. Raha irery isika rehefa mitsidika, ary tsy misy olon-kafa ao an-tranon’ilay olona, dia ny fanaovana fanambarana eo am-baravarana no tsara indrindra mazàna, fa tsy ny handrosoana. Raha misy fahalianana, dia azo atao ny manao fandaharana hiverina rehefa hisy mpitory hafa hiaraka amintsika, na rehefa hisy olon-kafa ao an-tranon’ilay olona. Raha tsy azo atao izany, dia ho fahendrena ny hamindrana ilay fitsidihana amin’ny mpitory lahy na vavy tahaka ilay tompon-trano. Izany dia mihatra koa amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly amin’olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena. — Matio 10:16.
Mila mitandrina isika rehefa mifidy olona hiara-miasa amintsika eo amin’ny fanompoana. Na dia mety hiara-miasa aza ny mpitory lahy sy vavy indraindray, dia tsara indrindra ny hanaovana izany rehefa misy mpitory hafa koa eo. Mazàna, na dia eny amin’ny fanompoana aza, dia tsy fahendrena ny hiarahantsika samirery amin’olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tenantsika, ka tsy vadintsika. Noho izany, ilay rahalahy mitarika ireo mpitory, dia tokony haneho fahaiza-mitsara zavatra rehefa manendry mpitory, anisan’izany ireo zatovo, hiara-miasa.
Amin’ny fanehoana fahaiza-mitsara zavatra mandrakariva, dia tsy ‘hanao izay hanafintohina’ na ny tenantsika na ny hafa, isika. — 2 Kor. 6:3.