FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/97 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny May

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny May
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 5 May
  • Herinandron’ny 12 May
  • Herinandron’ny 19 May
  • Herinandron’ny 26 May
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 5/97 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny May

Herinandron’ny 5 May

Hira 130, Hira 151

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

12 min: “Manaraha An’i Jesosy Hatrany”. Fanontaniana sy valiny. Mampidira fanandraman-javatra avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1993, pejy 12.

23 min: “Manehoa Tena Fiahiana ny Fahalianana Rehetra Hita”. Fiaraha-mandinika amin’ny mpanatrika. Hamafiso ny ilana hanolokoloana ny fahalianana rehetra. Manolora fomba sasany feno fahaiza-mandanjalanja hangatahana ny adiresin’ireo olona hita eny an-kalamanjana, mba hahafahantsika hanohy hanao fanambarana aminy. Manasà mpitory mahay hanao fampisehoana an’ireo fomba fampiseho roa anoroana hevitra eo amin’ny fehintsoratra 6-9. Jereo indray ilay faritra voafefy hoe “Ny Fomba Hahombiazana eo Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika”, eo amin’ny pejy faha-3 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1997. Ampirisiho ny rehetra hanokana fotoana isan-kerinandro hanaovana fiverenana mitsidika.

Herinandron’ny 12 May

Hira 133, Hira 162

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahafantaro ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana manokana, nalamina hatao amin’ny 19 May.

12 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray.

23 min: “Fivoriamben’ny Distrika 1997 ‘Finoana ny Tenin’Andriamanitra’ ”. (Fehintsoratra 1-9). Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra faha-7 sy 9. Hamafiso ny maha-zava-dehibe, araka ny Soratra Masina, ny hihazonana amim-pitandremana ny fisehoana sy ny fitondran-tenantsika kristiana ho maotina, ary ny hanarahantsika maso tsara ny zanatsika.

Herinandron’ny 19 May

Hira 139, Hira 165

7 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

20 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra ataon’ny rahalahy mahay iray, miaraka amin’ny mpitory iray na roa izay mahomby eo amin’ny fitarihana fampianarana. Mampiasa tapany sasany ao amin’ny boky Fahalalana izy ireo, mba hilazana ireo teknika fampianarana izay manampy azy hihazona ilay fampianarana handroso hatrany, sady mamela azy hamantatra izay tena ianaran’ilay mpianatra. — Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, fehintsoratra faha-5, 8, 12 ary 21.

18 min: “Fivoriamben’ny Distrika 1997 ‘Finoana ny Tenin’Andriamanitra’ ”. (Fehintsoratra 10-17). Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra 11 sy ireo andinin-teny voalaza. Antitrantero ny ilana filaminana sy fiheverana ny hafa, indrindra fa raha ny amin’ny toerana ipetrahana. Farano amin’ny lahateny fohy, iresahana momba ireo “Fampahatsiahivana ny Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika”.

Herinandron’ny 26 May

Hira 148, Hira 174

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Jona. Amin’ny fampiasana ny boky Fahalalana, hazavao ny fomba azo ampiasana ireo hevitra eo amin’ny fehintsoratra 17-19 ao amin’ny pejy 10-11, mba hanomanana fomba fampiseho fohy iray. Ampirisiho ny rehetra hiezaka hanomboka fampianarana. Hamafiso ny ilana hanampy ireo liana mba handroso haingana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996, pejy 13-14.

12 min: “Nahoana Isika no Miverina Hatrany Foana?” Fanontaniana sy valiny. Mampidira hevitra avy ao amin’ny faritra voafefy ao amin’ny boky Prédicateurs, pejy 570.

18 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Lahateny ataon’ny loholona iray na fiaraha-mandinika ny zavatra ara-panahy ilain’ny kongregasiona, ataon’ny loholona roa. Manomeza fampirisihana araka ny Soratra Masina sy fanoloran-kevitra azo ampiharina mba hihatsarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara