Valian-tsoa ny Fahatokiana
1 Ao amin’ny Hebreo 11:6 dia ilazana isika fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Andriamanitra. Ny fomba iray amaliany soa ireo mpanompony be fandavan-tena, izay “nahatoky tamin’ny kely”, dia ny ‘fanendrena azy ireny hanapaka eo amin’ny be’. (Matio 25:23). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia matetika i Jehovah no mamaly soa ny asa tsara ataon’ireo vavolombelony mahatoky, amin’ny fanomezana azy ireo tombontsoam-panompoana fanampiny.
2 Ny fahatokian’ny apostoly Paoly dia novalian-tsoa tamin’ny nanendrena azy ho amin’ny fanompoana izay nitondra azy tany amin’ireo tanàna sy vohitra tany Eoropa sy Azia Minora. (1 Tim. 1:12). Na dia ezaka be dia be aza no tafiditra tamin’ny fanatontosana tamin’ny fomba feno ny fanompoany, i Paoly dia nihevitra ho sarobidy ny tombontsoa noraisiny. (Rom. 11:13; Kol. 1:25). Nampiseho ny fankasitrahany lalina izy tamin’ny fitadiavana fahafahana hitory. Nasehony mazava tamin’ny asa tamin-jotom-po nataony fa niaina ny finoany izy. Ny ohatra navelany dia manosika antsika hankamamy ny tombontsoam-panompoantsika.
3 Nomen’i Jehovah fanompoana isika: Ahoana no anehoantsika fomba fijery mitovy amin’ny an’i Paoly momba io valisoa misy tombontsoa io? Mitady fomba hampitomboana ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana isika. Manararaotra ny fahafahana rehetra miseho isika mba hitoriana amin’ny fomba tsy ara-potoana ary koa isan-trano. Manao zavatra isika mba hanatratrarana ireo rehetra tsy ao an-tranony ary miverina mitsidika ireo rehetra liana isika. Ary manaja ny fotoana nataontsika isika, rehefa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
4 Momba ny fanompoantsika, dia nananatra toy izao i Paoly: “Manaova izany amim-pahadodonana”. (2 Tim. 4:2, NW ). Ny zavatra mahadodona iray dia mitaky fanehoana fiheverana avy hatrany. Moa ve isika manao ny fanompoantsika amin’ny fomba mampiseho fahadodonana, ka manome azy io ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika? Ohatra, tsy ho tiantsika ny hamela ireo fialam-bolintsika sy ireo raharahan’ny tenantsika manokana amin’ny faran’ny herinandro hanakantsakana ny fotoana tokony hatokantsika ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Koa satria isika miaiky fa mihamanatona haingana ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia miaiky koa isika fa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no asa lehibe indrindra azontsika atao.
5 Ny fahatokiantsika eo anatrehan’Andriamanitra dia hoe marina sy tsy mivadika aminy ary tsy miovaova eo amin’ilay asa nanendreny antsika isika. Aoka isika hanatontosa amin’ny fomba feno ny fanompoantsika, mba hamalian’i Jehovah soa ny fahatokiantsika amin’ny fomba tondraka.