Vaovao Tsara ao Amin’ny Internet
Amin’izao vanim-potoan’ny teknôlôjia misy antsika izao, ny olona sasany dia mampiasa fitaovana elektronika, anisan’izany ny Internet, mba hahazoana fanazavana. Noho izany, ny Fikambanana dia nampiditra tao amin’ny Internet fanazavana araka ny marina momba ny finoana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny adiresin’ny toerana misy antsika ao amin’ny Internet dia hoe http://www.watchtower.org. Ny hita ao dia taratasy mivalona sy bokikely ary lahatsoratra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! voafantina, amin’ny teny anglisy, sinoa (notsorina), alemà, rosiana, ary espaniola, ary koa amin’ny fiteny hafa. Ireo zavatra vita an-tsoratra ao amin’io toerana misy antsika ao amin’ny Internet io dia efa misy any amin’ny kongregasiona ary efa ampiasaina eny amin’ny fanompoana. Ny zava-kendren’ny toerana misy antsika ao amin’ny Internet dia tsy ny hamoaka zavatra vita an-tsoratra vaovao akory, fa ny hanao izay hahazoan’ny besinimaro fanazavana amin’ny endriny elektronika. Tsy ilain’iza na iza ny hanomana pejy ao amin’ny Internet momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asantsika ary ny finoantsika. Ny toerana misy antsika ao amin’ny Internet dia manolotra fanazavana araka ny marina ho an’izay maniry izany.
Na dia tsy misy fahafahana hifandefasana hafatra elektronika (E-mail) aza ny toerana misy antsika ao amin’ny Internet, dia misy ny lisitry ny adiresin’ny sampana manerana ny tany. Noho izany, ny olona dia afaka manoratra mba hahazoana fanazavana bebe kokoa na mba hahazoana fanampiana manokana avy amin’ny Vavolombelona eo an-toerana. Aza misalasala mizara ny adiresin’ny Internet izay voalaza etsy ambony amin’izay rehetra mety haniry hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’io fomba io.