Fomba Hanampiana ny Olona
Mitory ny vaovao tsara amin’ny olona rehetra ny Kristianina marina. (Fil. 2:17) Mba hanatanterahana izany, dia misy bokikely sy taratasy mivalona ary lahatsoratra fampiasantsika, amin’ny fiteny 20, ao amin’ny Internet. Ny www.watchtower.org no adiresintsika ao. Tsy natao mba hampahafantarana an’ireo boky sy gazety vaovao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah akory io adiresy io. Natao hanomezana fanazavana marina ho an’ny olona momba ny zavatra ampianarintsika avy ao amin’ny Baiboly kosa izy io.
Vao haingana, dia nisy zavatra niavaka tao amin’io adiresintsika io. Nampidirina tao ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, amin’ny fiteny 220 mahery. Lasa misy an’io adiresy io koa ao amin’ny pejy farany amin’ny gazetintsika, amin’ny fiteny rehetra ivoahan’izy ireo, nanomboka tamin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2004 sy ny Mifohaza! 8 Janoary 2004.
Ahoana no azonao ampiasana an’io adiresy io? Mety hahita olona toa liana ianao, nefa tsy mahay ny fiteninao izy. Azonao atoro azy ilay adiresy eo amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!, raha afaka mampiasa Internet izy. Mety ho afaka hamaky ny bokikely Takina amin’ny fiteniny izy amin’izay, mandra-pitondranao boky na gazety amin’ny fiteniny any aminy. Na azonao atao koa ny mandefa an’ilay taratasy hoe Tsidiho Aza Fady (S-43) any amin’ny sampana, mba hahafahan’izy ireo hikarakara an’ilay olona.