Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tena Mpitory ny Filazantsara
1 Nametraka ny andraikitra hitory ny filazantsara teo amin’ny mpianany rehetra i Jesosy Kristy, ka nanome azy ireo toromarika voafaritra tsara mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14; Asa. 10:42). Namela modely ny amin’izany ireo mpianany tany am-boalohany, rehefa niresaka tsy nisy fitsaharana momba ilay Fanjakana — tsy teo amin’ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ihany, fa tany amin’izay rehetra nahitany olona, teny ampahibemaso sy tao amin’ny isan-trano koa. (Asa. 5:42; 20:20). Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika amin’izao andro izao, dia nanaporofo ny tenantsika ho tena Kristiana mpitory ny filazantsara isika, ka nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’ny tany 232 sy nanao batisa mpianatra vaovao maherin’ny iray tapitrisa tao anatin’ireo telo taona farany monja! Nahoana no nahomby toy izany ny fitoriana ny filazantsara ataontsika?
2 Mampientam-po antsika ny vaovao tsara: Ny mpitory ny filazantsara dia mpitory, na iraka, mitondra vaovao tsara. Amin’ny maha-izany antsika, dia manana tombontsoa mampientana hanambara ny Fanjakan’i Jehovah — ilay hany tena vaovao tsara azo atolotra ny olombelona ory isika. Mafana fo isika noho ilay fahalalana mialoha azontsika momba ny lanitra vaovao izay hanapaka amim-pahamarinana ny tany vaovao voaforon’ny taranak’olombelona mahatoky ao amin’ny Paradisa ho avy. (2 Pet. 3:13, 17). Isika no hany olona izay nanaiky io fanantenana io, ary may ny hizara azy io amin’ny hafa isika.
3 Manosika antsika ny tena fitiavana: Asa famonjena aina ny fitoriana ny filazantsara. (Rom. 1:16). Izany no antony maha-faly antsika aoka izany mampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana. Amin’ny maha-tena mpitory ny filazantsara antsika, dia tia ny olona isika, ary izany dia manosika antsika hizara ny vaovao tsara aminy — ny fianakaviantsika, ny mpiara-monina amintsika, ny olom-pantatsika, ary ny maro hafa koa araka izay azo atao. Ny fanaovantsika io asa io amin’ny fanahintsika manontolo no iray amin’ireo fomba tsara indrindra anehoantsika ny tena fitiavantsika ny hafa. — 1 Tes. 2:8.
4 Manohana antsika ny fanahin’Andriamanitra: Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa rehefa manao ny asantsika fambolena sy fanondrahana ny voan’ilay Fanjakana isika, dia i Jehovah no “mampitombo” azy. Izany indrindra no hitantsika mitranga ao amin’ny fandaminantsika amin’izao andro izao. (1 Kor. 3:5-7). Ny fanahin’Andriamanitra no manohana antsika eo amin’ny fitoriana ny filazantsara ataontsika ary manome antsika fahombiazana lehibe. — Joela 3:1, 2.
5 Noho ilay fampirisihana ao amin’ny 2 Timoty 4:5 hoe “ataovy ny asan’ny evanjelista”, ary noho ny fitiavantsika ny olona rehetra, dia enga anie isika ho voatosika hizara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana mampientam-po, amin’ny fahafahana rehetra, amin’ny fatokiana fa hanohy hitahy ny asantsika i Jehovah.