Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Febroary
Herinandron’ny 2 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vaovao Teokratika.
15 min: “Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tena Mpitory ny Filazantsara”. Fanontaniana sy valiny. Jereo ny faritra voafefy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1992, pejy faha-19.
20 min: “Asao Izay Rehetra Mangetaheta”. Diniho ilay lahatsoratra, ka asehoy hoe amin’ny ahoana ireo fomba fampiseho anolorana hevitra no manaitra fahalianana sy manosika ny mpihaino hanao zavatra. Manasà olon-dehibe iray hanao fampisehoana momba ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3 na ny faha-4 sy faha-5, ary tanora iray hanao fampisehoana momba ny fehintsoratra faha-6.
Herinandron’ny 9 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: Ny Maha-zava-dehibe ny Fahadiovana. Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, pejy 45, fehintsoratra 12-20. Antitrantero ny fahadiovan’ny vatantsika sy ny tranontsika ary ny faritra manodidina. Manomeza fanoloran-kevitra azo ampiharina.
Herinandron’ny 16 Febroary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
12 min: Ny Antony Ilanao Hanatrika Ireo Fivoriana Kristiana. Loholona miresaka ny hevi-dehibe ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1993, pejy 8-11, ka manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana rehetra.
18 min: Fomba Handresena Fanoherana. Lahateny miorina amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy 17-19.
10 min: “Jehovah no Mpamonjy Ahy”. Lahateny feno fitiavana, mampahery, ataon’ny loholona.
Herinandron’ny 23 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho ny zavatra atolotra amin’ny Martsa. Lazao ny hevitra iray na roa hanolorana ny boky Fahalalana, amin’ny fampiasana hevitra avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Desambra 1995, pejy faha-8. Antitrantero ny tanjona hanomboka fampianarana Baiboly.
15 min: “Raha Misy Vokany Ilay Izy, dia Ampiasao!” Fanontaniana sy valiny. Manasà mpitory mahay iray na roa amin’ny mpanatrika, hiresaka fohy ny amin’ny fomba fampiseho izay notohiziny nampiasaina noho ny fahatsoran’ilay izy sy ny vokatra nentiny. Manasà mpitory sasany hilaza izay tari-dresaka nanolorana hevitra vao haingana tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, ary hita fa nandaitra.
20 min: Anaovy Fanazaran-tena ny Fomba Fampisehonao. Lahateny fohy miorina amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 98 sy 99, fehintsoratra 8 sy 9. Hamafiso ny ilana hamakafaka ny fomba fampiseho ataontsika sy hitady fomba hahitam-bokatra kokoa. Manasà anabavy roa hanao fampisehoana ny fomba amakafakany izay nataony teo amin’ny varavarana iray, ka miresaka ny fomba ahafahany mihatsara. Manao fanazarana fohy koa izy ireo mba hanandramana ny fomba fampiseho kasainy hampiasaina amin’ny manaraka, ka mifanome fanoloran-kevitra mahasoa. Mamarana azy ny mpitari-draharaha amin’ny fampirisihana ny rehetra mba hamakafaka sy hanao fanazaran-tena amin’ny fomba fampiseho ataon’izy ireo.