Asao Izay Rehetra Mangetaheta
1 Araka ny nambaran’i Amosa mpaminany mialoha, ny fianakavian’olombelona amin’izao andro izao dia mijaly, ‘tsy noho ny hetahetan-drano, fa noho ny faniriana handre ny tenin’i Jehovah’. (Amosa 8:11). Mba hanampiana ny olona ao anatin’io hain-tany ara-panahy io, isika dia miresaka amin’izy ireo momba ny fandaharan’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona mankatò amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, izay aseho ao amin’ny toko farany amin’ny Apokalypsy ho toy ny “onin’ny ranon’aina”. Manana tombontsoa hanasa an’izay rehetra mangetaheta ny fahamarinana mba “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”, isika. (Apok. 22:1, 17). Ahoana no ahafahantsika manao izany mandritra ny Febroary? Amin’ny fanolorana ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Mety hirinao ny hanandrana ireto fomba fampiseho ireto:
2 Koa satria olona maro no miahy ny amin’ny fahasalamany, dia mety ho hitanao fa handaitra izao tari-dresaka izao:
◼ “Maro no manahy noho ny fiakaran’ny saram-pitsaboana. Angamba ianao efa nisaintsaina momba izany. [Avelao ilay olona hamaly.] Misy vahaolana maharitra ny amin’io zava-manahirana io ve? [Miandrasa valiny.] Itỳ misy fahatsinjovan-javatra mahatalanjona iray.” Vakio ny Apokalypsy 22:1, 2. Avy eo dia sokafy ny boky Fanambarana ho eo amin’ilay sary eo amin’ny pejy faha-308 sy faha-309, ary ampiasao ny fehintsoratra faha-22 eo amin’ny pejy faha-311 mba hanazavana azy. Farano amin’ny filazana hoe: “Itỳ zavatra vita an-tsoratra itỳ dia mamelabelatra ny andininy tsirairay ao amin’ny Apokalypsy.” Atolory ilay boky. Manaova fandaharana mba hiverina.
3 Rehefa manao ilay fiverenana mitsidika, ianao, dia afaka manomboka indray ny resakareo amin’ny filazana hoe:
◼ “Fony aho teto farany, dia niresaka momba ny vahaolana maharitra ho an’ny zava-manahirana ara-pahasalamana isika. Heverinao ve fa ho avy ny fotoana izay tsy hisian’ny olona harary intsony? [Avelao ilay olona hamaly.] Mariho izao fanambarana manaitra izao.” Vakio ny Isaia 33:24. Avy eo dia sokafy ny lesona faha-5 ao amin’ny bokikely Takina, ary diniho ny fehintsoratra faha-5 sy faha-6, apetraho ireo fanontaniana mifandray aminy eo amin’ny fiandohan’ilay lesona ary jereo ny sasantsasany amin’ireo andinin-teny voalaza. Lazao fa anisan’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny tany ny fanesorana ny aretina sy ny fahafatesana. Manaova fandaharana mba hiverina sy handinika ny fehintsoratra 1-4 sy ny faha-7 ao amin’io lesona io ihany.
4 Raha mbola ao an-tsain’ny olona ny vaovao vao haingana mahakasika fahafatesan’olona tsy nampoizina, dia mety hanandrana izao tari-dresaka izao ianao:
◼ “Mety ho renao ny momba ny [lazao ilay vaovao]. Rehefa mifarana tampoka toy izany ny fiainan’ny olona, dia maro no manontany tena hoe inona no fampiononana azo atolotra ireo fianakaviana nidonam-pahoriana. Ahoana no hevitrao?” Avelao ilay olona hamaly. Avy eo dia sokafy ny pejy faha-299 ao amin’ny boky Fanambarana, ary asehoy ny fitsanganana amin’ny maty izay aseho an-tsary eo. Tohizo amin’ny filazana hoe: “Maro no gaga mahafantatra fa na ny marina na ny tsy marina dia samy haverina amin’ny fiainana indray ao amin’ny Paradisa eto an-tany. [Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15 izay voatonona eo amin’ny fehintsoratra faha-9 ao amin’ny pejy faha-297, ary avy eo dia omeo ilay fanazavana eo amin’ny fehintsoratra faha-10.] Misy tsipiriany mahaliana maro hafa momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny hoavy ao amin’itỳ boky itỳ. Raha maniry hahafantatra bebe kokoa momba azy io ianao, dia azonao raisina izy itỳ.” Manaova fandaharana mba hiverina, ka raiso an-tsoratra ny zavatra voafaritra tsara mahaliana sy mampanahy ilay olona.
5 Rehefa miverina indray ianao, dia ampifanaraho amin’ilay tompon-trano ny fomba fampisehonao. Afaka milaza toy izao angamba ianao:
◼ “Fony isika niresaka farany, dia nankasitrahako ilay nolazainao momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. [Avereno ilay teniny.] Nahita fanazavana izay heveriko fa hahaliana anao aho.” Sokafy ny lesona faha-5 ao amin’ny bokikely Takina. Mamakia sy mandiniha fehintsoratra maro araka izay azo atao ao amin’ilay lesona izay toa mitana ny sain’ilay tompon-trano. Rehefa avy mametra fotoana hiverenana mba hanohizana ilay lesona ianao, dia omeo taratasy fanasana manoritra ny fotoam-pivorian’ny kongregasiona ilay tompon-trano. Hazavao ny momba ny Fivoriana Ampahibemaso, ary asao izy hanatrika azy io.
6 Raha tianao kokoa ny fomba fampiseho tsotra amin’ny alalan’ny taratasy mivalona iray, dia afaka milaza toy izao ianao:
◼ “Tiako ny hanananao itỳ taratasy mivalona mitondra ny lohateny hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? itỳ.” Atolory ilay tompon-trano ilay izy, ary asao izy hanaraka ny famakianao ny fehintsoratra voalohany. Avelao izy hamaly ilay fanontaniana eo amin’ny faran’ny fehezanteny. Vakio ny fehintsoratra faharoa, ary avy eo dia sokafy ny boky Fanambarana ho eo amin’ny sary ao amin’ny pejy faha-299. Tohizo amin’ny filazana hoe: “Itỳ boky itỳ dia manome tsipiriany kokoa momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny sisa amin’ireo fampanantenana mahatalanjon’ny Baiboly ho an’ny hoavy. Raha maniry hamaky azy itỳ ianao, dia azonao raisina.”
7 Ny fanolorantsika fanasana manintona ho an’ny hafa dia mety hahatonga azy ireo ho eo amin’ny onin’ny ranon’aina, izay omen’i Jehovah ankehitriny. Noho izany, dia aoka isika hilaza amin’izay rehetra mangetaheta hoe: “Avia.” — Apok. 22:17.