FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/99 p. 6
  • Ampiasao Tsara Ireo Boky Tranainy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Tsara Ireo Boky Tranainy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Izy Ireny fa Aza Avela Hitoby Fotsiny
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Izay Raketin’ilay Boky
    Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
  • Ny Fomba Handaminana Fitahirizam-boky Teokratika Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 1/99 p. 6

Ampiasao Tsara Ireo Boky Tranainy

1 Nitahiry boky tranainy an-tapitrisany maro tany amin’ny fitahirizam-boky eran’ny vazan-tany, ny olona. Kanefa, soa maharitra inona no nentin’izy ireo ho an’ny taranak’olombelona? (Mpit. 12:12). Sarobidy lavitra ireo boky izay mampifantoka ny saina amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataony ho an’ny olombelona. Manana tahiry maro isan-karazany amin’ireny boky navoaka talohan’ny 1985 ireny, ny ankamaroan’ny kôngregasiôna. Hanolotra ireny boky tranainy ireny amin’ny olona isika mandritra ny Janoary.

2 Tena sarobidy izy ireny: Na dia mety hihevitra aza ny sasany amintsika fa lany andro ireny boky ireny raha ampitahaina amin’ireo zavatra vita an-tsoratra vaovao kokoa, dia tsy maintsy tadidintsika fa mirakitra fahamarinana araka ny Soratra Masina izy ireny. Mbola sarobidy amin’izao andro izao ihany ny hafatra momba ilay Fanjakana izay hazavainy, ka raha arahina dia mety hamonjy aina. (Jaona 17:3). Noho izany, dia tokony hanao ezaka fanampiny isika mba hampiasa tsara ireny boky tranainy ireny.

3 Manamafy ny hasarobidin’izy ireny ny zava-nitranga tamin’ny vehivavy iray nandova avy tamin’ny renibeny, zavatra vita an-tsoratra tranainy maromaro navoakan’ny Watch Tower. Nanontany an’ilay vehivavy ny Vavolombelona iray raha mba fantany ny tena hasarobidin’ireo zavatra vita an-tsoratra ireo. Namaly toy izao ilay vehivavy: “Tsy mahalala izay hasarobidin’izy ireo aho, kanefa ahoana no ahafahako mahalala izany?” Nanaiky hianatra Baiboly ilay vehivavy, tonga tao amin’ny fahamarinana, ary tatỳ aoriana dia nankamamy an’ilay fitahirizam-bokin’ny renibeny. Tena lova sarobidy mihitsy izany fitambaram-boky tranainy izany!

4 Ampielezo izy ireo: Ho fanampin’ny fanolorana ireo boky tranainy isan-trano, dia ataovy azo antoka fa hanolotra azy ireny ianao rehefa manao fiverenana mitsidika amin’ny olona izay fantatrao fa mankafy ny famakiana ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika, anisan’izany ireo manao famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ireo olona anaovanao lalana fizarana gazety. Ho an’ireo izay miara-mianatra Baiboly aminao, dia afaka manome fahalalana fanampiny izay hanitatra ny fahazoany ny hevitry ny fahamarinana ireo boky tranainy voafantina. Aza hadinoina ny maka izay mety ho boky tranainy rehetra tsy ao amin’ny tahirim-bokinao manokana. Amin’izany fomba izany no hanangonanao fitambaram-boky teôkratika sarobidy, izay azo ampiasaina mba hanatsarana ny fianaranao manokana.

5 Toy izay hitahiry fotsiny ireo boky tranainy ananantsika, dia aoka isika hampiasa tsara azy ireny mba handrisihana ny olona hitantsika mba ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny’. — Mpit. 12:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara