FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/99 p. 3-6
  • Miitatra ny Fanompoam-pivavahana Marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miitatra ny Fanompoam-pivavahana Marina
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandroso ny Fandaharana Fanorenana Efitrano Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitaky Fanitarana Haingana ny Fitomboana Be
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Fanorenana Efitrano Fanjakana Eran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 9/99 p. 3-6

Miitatra ny Fanompoam-pivavahana Marina

1 Mpitory ilay Fanjakana be zotom-po ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Faly izy ireo rehefa “nihamaro isan-andro” ny kôngregasiôna. (Asan’ny Apostoly 16:5). Noho ny fitoriany tamim-pahasahiana, dia tonga tany Azia sy Afrika ary Eoropa ny fanompoam-pivavahana marina, ka nahatonga ny mpino ho maro be.

2 Amin’izao fotoan’ny farany izao, dia mbola miitatra ihany ny fanompoam-pivavahana marina. Mahita fitomboana miavaka isika ankehitriny, any amin’ireo tany nampiharan’ny fanjakana fameperana teo amin’ny asantsika hatreo am-piandohan’ireo taona 1990. Ny Diary 1999 dia mampiharihary fa ny roa amin’ireny tany ireny, i Rosia sy i Ukraine, dia samy nanao tatitra fa mpitory maherin’ny 100 000 no mandray anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso. Any amin’ireo faritany 15 an’ny Firaisana Sovietika teo aloha, nanomboka tamin’ny 1991, dia maherin’ny 220 000 no nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa! Io fitomboana haingana io dia nahatonga ny ilana hanorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe vaovao maro, ary koa ny hanitarana tranon’ny Sampana maromaro.

3 Misy ampahany amin’ny Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana, izay natsangana tamin’ny 1983, ampiasaina ankehitriny mba hampisamborina ny kôngregasiôna any amin’ireo tany izay tena mila maika Efitrano Fanjakana bebe kokoa, nefa voafetra ny volany no sady ahitana olana ara-toe-karena. Teo anelanelan’ny Martsa 1996 sy Oktobra 1998, ny Fikambanana dia nanaiky fangatahana fisamboram-bola ho an’ny Efitrano Fanjakana 359, nataon’ny biraon’ny sampana izay manara-maso tany 11 any Eoropa Atsinanana. Ireo tahirim-bola voangona dia ampiasaina mba hividianana tany sy fitaovana ho an’ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao, sy hanampiana ireo kôngregasiôna izay manavao trano efa misy. Ireo sary aseho ato dia manampy antsika hahita fa nandray soa avy tamin’ny vola fanomezana tao amin’ilay Tahirim-bolan’ny Fikambanana ho An’ny Efitrano Fanjakana, any Etazonia sy any amin’ireo firenena hafa, ireo rahalahintsika any Eoropa Atsinanana sy isika eto Madagasikara.

4 Nandritra ny 1998, dia nahitana fitomboana 12 isan-jato tany Boligaria, ary nientam-po ireo rahalahy rehefa notokanana tamin’ny Aprily tamin’io taona io ny Efitrano Fanjakanany voalohany. Nahitana fitomboana 4 isan-jato tany Kroasia, ary ankehitriny ireo rahalahy any, dia manorina Efitrano Fanjakana maro kokoa mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. Efitrano Fanjakana 80 eo ho eo no ampiasain’ny kôngregasiôna 144, any Hongria. Midika izany fa ny 61 isan-jato amin’ireo kôngregasiôna 235 any amin’io tany io, dia manana ny toeram-pivoriany manokana. Any Macédoine dia nahavitana efitrano vaovao roa ilay fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana, ary misy hafa koa eo am-panaovana azy. Nisy Efitrano Fanjakana roa mitovy vita tao amin’ny renivohitr’i Skopje, tamin’ny fahavaratry ny taona 1999. Mahazaka kôngregasiôna enina, fara fahakeliny, ireo efitrano ireo.

5 Tamin’ny taon-dasa, dia maherin’ny 260 ny salanisan’ny olona natao batisa isan-kerinandro, tany Rosia! Nanaraka ilay ohatra nampiasaina tany amin’ny tany hafa ny sampan’i Rosia izao, ka nandamina Komitim-paritra Momba ny Fanorenana 12, manerana ny faritaniny midadasika, mba hanohanana ireo tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana amin’ny hoavy. Any amin’ny faritra avaratr’i Saint-Pétersbourg, dia eo am-panorenana azy ny Efitrano Fivoriambe voalohan’io tany io, izay hahazaka olona 1 600. Hisy Efitrano Fanjakana dimy izay misy seza 200 avy koa, haorina ao amin’ilay toerana. Mba hamatsiana ny zavatra ara-panahy ilain’ireo rahalahintsika sy ireo olona liana maro any Ukraine, dia misy Efitrano Fanjakana 84 efa vita ary 80 eo an-dalam-panorenana.

6 Misy kôngregasiôna maherin’ny 200 eto Madagasikara, nefa Efitrano Fanjakana vitsivitsy monja no ananantsika. Tena ilaina àry ny hisian’ny Efitrano Fanjakana maro kokoa. Tao anatin’ireo taona vitsivitsy farany anefa, dia afaka nanorina efitrano maro isika. Amin’ireo sary ato amin’ity Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity ianao, dia mahita Efitrano Fanjakana tsara dia tsara sasany naorina teto Antananarivo. Kôngregasiôna 22 no manao ny fivoriany isan-kerinandro ao amin’ireo Efitrano Fanjakana 6 aseho eto amin’ireto sary ireto. Fampianarana ara-baiboly tsara dia tsara tokoa no azon’ny olona an’arivony maro isan-kerinandro! Eto Antananarivo isika dia manana Efitrano Fanjakana hafa, toy ny any Ambanidia, Ambohimanarina, Andoharanofotsy, Soamanandrariny ary Talatamaty.

7 Amin’izao fotoana izao, dia Efitrano Fanjakana roa no eo an-dalam-panorenana, ao Ankadifotsy, iray avy any Fenoarivo sy Manjakandriana sy Toamasina ary Fianarantsoa. Efitrano Fanjakana maro kokoa hatrany no kasaina haorina eto an-drenivohitra sy any amin’ireo tanàn-dehibe hafa, ary koa any amin’ireo tanàna kely. Midera ireo rahalahy noho ny zotom-pony ho an’ny fanompoam-pivavahana marina izahay. Mampirisika ireo kôngregasiôna koa izahay mba hanohy handefa ny fanomezany, mba hahafahana hampiasa ireo vola ho amin’ny Efitrano Fanjakana kely kokoa.

8 Tsy mampifaly ny fontsika ve io fitomboana io? Na aiza na aiza misy antsika, ny fitaran’ny fanompoam-pivavahana marina dia mampahatsiahy antsika fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, ary ny faharetany dia hidika ho famonjena ho an’ny “olona betsaka”. (Apok. 7:9; 2 Pet. 3:9). Tena tombontsoa ho antsika mihitsy ny mandray anjara kely amin’ny fitomboana ara-panahin’ny hafa, na dia ireo izay any amin’ny tany lavitra aza! Manome toky antsika ny Ohabolana 28:27 fa “izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory”. Ny fahavononantsika hanampy mba hisahanana ny lany amin’ireny fanorenana ireny, dia miteraka “fitoviana” eo amin’ny zavatra ara-nofo, ka mahatonga ny rehetra hahatsapa ilay fahasambarana avy amin’ny fanomezana sy ilay fifaliana ateraky ny fahitana ny fanompoam-pivavahana marina miitatra maneran-tany. — 2 Kor. 8:14, 15; Asa. 20:35.

[Sary, pejy 3]

Săcele, Romania

[Sary, pejy 3]

Maardu, Estonia

[Sary, pejy 3]

Sevnica, Slovenia

[Sary, pejy 3]

Tiszavasvári, Hungary

[Sary, pejy 4]

Jūrmala, Letonia

[Sary, pejy 4]

Tallinn, Estonia

[Sary, pejy 4, 5]

Taurage, Litoania

[Sary, pejy 4, 5]

Belgrade, Iogoslavia

[Sary, pejy 5]

Prievidza, Slovakia

[Sary, pejy 5]

Mátészalka, Hongria

[Sary, pejy 6]

Vranov nad Topl’ou, Slovakia

[Sary, pejy 6]

Ruma, Yugoslavia

[Sary, pejy 6]

Tornakalns, Latvia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara