Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Voaomana ho amin’ny tarehin-javatra ilana fikarakarana maika ve ianao?
Eto amin’ity tontolo maoderina ity, dia matetika no mikambana “ny fotoana sy ny sampona” mba hahatonga tarehin-javatra ilana fikarakarana ara-pitsaboana maika, anisan’izany ny fanerena hanaiky fampidiran-dra. (Mpit. 9:11). Mba hahazoana antoka fa voaomana ho amin’ny zavatra mety hitranga iray toy izany isika, dia nanome fanampiana amin’ny lafiny maro tamin’ny alalan’ny fandaminany i Jehovah, nefa manantena ny hanaovantsika ny anjarantsika izy. Manampy anareo izao lisitra eto ambany izao.
• Ento miaraka aminareo amin’ny fotoana rehetra ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra tsy lany andro.
• Ataovy azo antoka fa mitondra ny Karatra Famantarana tsy lany andro ny zanakao.
• Jereo indray ny takelaka fanampiny amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1992, ka anaovy famerenana ny fomba fanjohiana hevitra amin’ireo dokotera sy mpitsara momba izay fitsaboana ho an’ny zanakao.
• Jereo indray ireo lahatsoratra momba ny fampidirana taharon’ny ra sy ireo zavatra mahasolo ra. (Anoroana hevitra: Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1994, pejy 31; 1 Septambra 1990, pejy 30-31; 1 Jona 1989, pejy 30-31; Mifohaza! [frantsay] 8 Desambra 1994, pejy 23-27; 8 Aogositra 1993, pejy 22-25; 22 Novambra 1991, pejy 10; ary ny takelaka fanampiny amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1992 sy Novambra 1990. Tehirizo ao anaty fitoerany iray ihany ireo mba ho mora raisina.)
• Manapaha hevitra amim-pieritreretana tsara raha afaka mamela ny fampiasana milina izay hampikorianana ny ra ivelan’ny vatanao ianao, na raha afaka manaiky fanafody izay misy taharon’ny ra.
• Alohan’ny handehanana any amin’ny hopitaly, raha mbola azo atao koa, dia milazà amin’ireo loholona mba hahafahany hanohana anao sy hifandray amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH), raha ilaina izany. Raha ny amin’ny ankizy kely, dia angataho ireo loholona mba hampahafantatra ny KMH aloha be.
Ataovy mazava tsara ny fandavanao ra: Asehon’ny tatitra fa miandry ho antomotra loatra ny rahalahy sy ny anabavy sasany vao milaza amin’ireo dokotera mitsabo azy fa tsy maniry handray ra izy ireo. Tsy ara-drariny ho an’ny mpiasan’ny fitsaboana izany ary mahatonga anao ho mety hampidiran-dra. Raha fantatr’ireo dokotera fa tohanan’ireo taratasy voasonia izay milaza ny zavatra arahinao voafaritra tsara, ny hevitra ekenao mafy sy ny fanirianao, izany dia hanampy azy ireo hanomboka ny fitsaboana tsy misy hataka andro, ary mazàna no manome azy ireo safidy fanampiny mba hitadiavana fitsaboana tsy misy fampiasana ra.
Koa satria afaka ny hitranga na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ny tarehin-javatra ilana fikarakarana maika, mazàna amin’ny fotoana tsy anampoizanao azy, dia manaova dingana dieny izao mba hiarovana ny tenanao sy ny zanakao amin’ny fampidiran-dra. — Ohab. 16:20; 22:3.