Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Iza no tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana?
Ny efitrano Fanjakana izay madio sy manintona dia manome taratra tsaran’ilay hafatra izay torintsika. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 2:12.) Tena ilaina ny hihazonana ny efitrano ho madio sy mimpirina, ary afaka mandray anjara amin’ny fikojakojana azy ny tsirairay. Tsy tokony hanantena olona vitsivitsy monja hiantsoroka ilay andraikitra manontolo isika. Mazàna ny fanadiovana no alamina isaky ny antokom-pianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna, ka ny mpitarika ilay fianarana, na ny mpanampy azy, no mitari-dalana. Rehefa kôngregasiôna mihoatra ny iray no mivory ao amin’ny efitrano iray, dia handamin-javatra mba handraisan’ny kôngregasiôna rehetra anjara amin’ilay fikojakojana, ireo loholona.
Ahoana no ahafahantsika miantsoroka io andraikitra io amin’ny fomba tsara indrindra? Tokony ho voadio tsy tapaka ny Efitrano Fanjakana. Tokony hisy fitaovana sy fiasana mba hampiasaina amin’ny fanadiovana, eo am-pelatanana. Tokony hisy lisitr’ireo zavatra ilaina hatao, hapetaka eo amin’izay ahafahan’ireo mpiasa mijery azy, mba hahazoany tari-dalana. Mety hisy lisitra roa samy hafa, ny iray ho an’ny fanadiovana madinika, isaky ny avy mivory, ny iray hafa ho an’ny fanadiovana lehibe kokoa isan-kerinandro. Ny mpitarika ny fianarana ny boky dia tokony handamina ilay fanadiovana lehibe, amin’ny andro sy fotoana izay mety ho an’ny rehetra voatendry. Tokony hanehoana fiheverana tsy tapaka ny bozaka sy ny voninkazo ary ny fefy zavamaniry. Tsy tokony hisy fakofako ny sisin-dalana sy ny parking. Isan-taona, dia tokony hisy fanadiovana goavana, angamba aloha kelin’ny Fahatsiarovana. Mety ho voafaoka amin’izany ny fanadiovana ny varavarankely sy ny rindrina sy ny fanasana ny môkety na ny gorodona ary ny fanasana ny lambam-baravarankely.
Mazava ho azy fa afaka manamaivana ilay andraikitra isika, amin’ny tsy fandatsahana siligaoma na fakofako ao anatiny sy ivelan’ny efitrano. Afaka manadio ny trano fivoahana isika, isaky ny avy mampiasa azy, ka hamela azy io hadio ho an’ilay olona manaraka. Mitandrema mba tsy hamaky fitaovana, na hanimba ireo fanaka. Mariho izay tasy amin’ny môkety sy ny rindrina, seza simba, zava-manahirana eo amin’ny fantson-drano, jiro maty, ary ny toy izany, ka lazao haingana amin’ilay rahalahy miandraikitra ny fikarakarana ny Efitrano Fanjakana.
Aoka isika rehetra ho vonona hanao ny anjarantsika. Izany dia mahatonga ny trano fanompoam-pivavahana ho mahafinaritra, sy mampiavaka antsika ho vahoaka madio izay manaja an’i Jehovah Andriamanitra. — 1 Pet. 1:16.