Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro
Ny foto-kevitry ny fandaharan’ny fivoriambe manokana iray andro, manomboka amin’ny Septambra 2000, dia hoe “Aoka ho Tonga Olon-dehibe Raha ny Amin’ny Fahaiza-mahataka-javatra”. (1 Kor. 14:20, NW ). Nahoana no ho zava-dehibe ny hanatrehantsika azy io? Miaina eo amin’ny tontolo iray feno faharatsiana isika. Mba hanoherana izany, dia tsy maintsy mampitombo ny fahaizantsika mahataka-javatra ara-panahy isika, mba handresentsika ny ratsy amin’ny tsara. Hanampy antsika hanao izany ny fandaharan’ny fivoriambe manokana iray andro.
Amin’ny fotoam-pivoriana fanokafana, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hiresaka momba ny hoe “Fanampiana mba Hahatongavana ho Olon-dehibe Raha ny Amin’ny Fahatakarana ny Hevitry ny Baiboly”. Hasehony amintsika ny fomba hahatongavantsika ho tafaorina tsara ao amin’ny finoana kristianina. Hanasongadina ny maha zava-dehibe ny fampiharana ny foto-pitsipiky ny Baiboly, mba hahaiza-manavaka tsara, ny mpandahateny mpitsidika, eo am-piresahany momba ilay foto-kevitra hoe “Arovy ny Fahasalamanao Ara-panahy, Amin’ny Fampiofanana ny Fahaiza-mahataka-javatra Haingana”.
Tsy maintsy mampitombo ny fahaizany mahataka-javatra koa ny tanora. Izany dia hodinihina ao amin’ireo lahateny hoe “Ny Antony Tokony Haha Zazakely Raha ny Amin’ny Faharatsiana”, sy hoe “Tanora Izay Mahazo Fahatakaran-javatra Dieny Izao”. Mihainoa tanora milaza izay ataony mba hanatanjahana ny ara-panahiny, mba hahafahany hifehy izay rehetra mety ho fahalianana amin’ny asa ratsin’ity tontolo ity sy hanalavitra zava-manahirana.
Ahoana no ahafahantsika mahita ny fahasambarana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana? Hanazava izany ilay mpandahateny mpitsidika, ao amin’ilay lahateny famaranana hoe “Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampiharana ny Foto-pitsipika Ara-baiboly Amim-pahaiza-mahataka-javatra”. Hanome ohatra izy, mba hampisehoana fa ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hiatrika zava-manahirana sy handray fanapahan-kevitra ary tena handray soa avy amin’izay ampianarin’i Jehovah antsika.
Ireo izay maniry hanamarika ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny batisa anaty rano, any amin’io fivoriambe io, dia tokony hampahafantatra izany amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, haingana araka izay azo atao. Mariho ny kalandrienao, raha vao fantatra ny datin’ilay fivoriambe manokana iray andro, ary manaova fandaharana voafaritra tsara, mba handraisan-tsoa avy amin’io fandaharana tsara dia tsara io. Aoka ianao tsy ho diso anjara amin’ny lahateny rehetra amin’io fivoriambe manokana iray andro io! Hanatanjaka anao hiaritra ny faharatsiana eto amin’ity fandehan-javatra ity, sy hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah, izy io.