Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro
Manana fototra ara-baiboly tena tsara ny foto-kevitry ny fandaharan’ny fivoriambe manokana iray andro, manao hoe: “Maneke An’Andriamanitra—Manohera ny Devoly”. (Jak. 4:7) Tari-dalana marim-pototra izany, amin’izao fotoan-tsarotra izao! Mahatonga antsika hifanandrina mivantana amin’i Satana mantsy ny fankatoavantsika ny didin’Andriamanitra. Ny fandaharana dia hampianatra antsika ny fomba hanoherana ny teti-dratsin’ny Devoly handrava ny finoantsika. Inona no sasany amin’ireo zava-tsarobidy ara-panahy horaisintsika any amin’io fivoriambe io?
Hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ilay lahateny hoe “Mpianakavy Manaiky Fahefana araka izay Takin’Andriamanitra”. Hasehony hoe amin’ny ahoana izany no manatanjaka ny fianakaviana hanohitra ny faneren’izao tontolo izao. “Inona no Atao hoe Manohitra ny Devoly?”, izany no lohatenin’ny lahateny voalohany hataon’ny mpandahateny mpitsidika. Hohazavainy hoe nahoana sy amin’ny fomba ahoana no ilantsika manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra hanoherana ny fikendren’i Satana hanapotika ny fahasalamantsika ara-panahy. Misy tapany roa natao indrindra ho an’ny tanora, izay mila ny ho mailo koa amin’ny zava-kendren’ny Devoly. Kristianina maro izay efa olon-dehibe izao no nanda ny fanirian’izao tontolo izao tamin’ny fahatanorany. Ho faly isika handre fitantarana ny sasany tamin’ny zavatra niainan’izy ireo.
Takina amin’izay rehetra anisan’ny fiaraha-monina ny fanekena fahefana. Hanasongadina faritra efatra tsy maintsy isehoan’ny fanekentsika an’Andriamanitra àry ny lahateny famaranana hataon’ilay mpandahateny mpitsidika. Ireto avy izany: 1) Fanekena ny fitondram-panjakana, 2) fanekena ao amin’ny kongregasiona, 3) fanekena any am-piasana, ary 4) fanekena eo anivon’ny fianakaviana. Fandaharana mahasoa re izany!
Tokony hanatona ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, haingana araka izay azo atao, ireo maniry hatao batisa amin’io fivoriambe manokana iray andro io. Tokony hanamarika ny datin’ny fivoriambe ao amin’ny kalandrie isika rehetra, ary hieritreritra mialoha ny hanatrika ilay fandaharana manontolo. Ho mandrakizay ny fitahiana ho azontsika, raha manaiky an’i Jehovah mandrakizay isika.