Valin’ny Fanontanianareo
◼ Tokony hanana sarintany lehibe iray mampiseho ny faritaniny ao amin’ny Efitrano Fanjakana ve ny kongregasiona?
Eny, tokony hisy sarintany lehibe iray mampiseho ny faritany, hatao ao anaty tranon-tsary, ary haseho eo amin’ny rindrina iray ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy tokony hatao eo amin’ny tabilao misy ny filazana io sarintany io. Tokony hampiseho ny sisin-tany ankapoben’ny faritanin’ny kongregasiona izy io, ary koa ny sisin-tanin’ireo faritany kely tsirairay sy ny nomeraon’izy ireo avy. Tokony haseho ny sisin-tanin’ny faritanin’ny kongregasiona rehetra mampiasa Efitrano Fanjakana iray ihany. Izany dia hanampy ny mpitory sy ny olona vao liana hamaritra hoe kongregasiona iza, izay miasa ao amin’ilay faritany ipetrahany, no tokony hisy azy. Raha aseho eo amin’ilay sarintany koa ny toerana misy ireo Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, izany dia hanampy ny rehetra hamantatra izay fianarana ny boky tokony hisy azy. Tokony hahitsy araka ny fanazavana farany foana io sarintany io.
Ny fampisehoana sarintany toy izany dia fampahatsiahivana amin’ny mpitory rehetra fa, araka izay azo atao, dia ho tsara ny hananany faritany ho an’ny tenany manokana. Io sarintany io dia hanampy an’ireo izay maniry hifidy faritany akaikin’ny tranony. Mety hampitsitsy fotoana koa izy io indraindray, amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana, satria hanampy an’ilay mpitarika hitarika ny antokona mpitory tsirairay haingana any amin’ilay faritra nanendrena azy ireo.
Io sarintany io koa dia manome porofo fa voalamina mba hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fomba feno ao amin’ilay faritany nanendrena azy ny kongregasiona. — Lioka 9:6.