FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/00 p. 1-7
  • Fitaovana Izay Mampianatra sy Mandrisika ary Manatanjaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitaovana Izay Mampianatra sy Mandrisika ary Manatanjaka
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Vavolombelon’i Jehovah—Voalamina mba Hitory ny Vaovao Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao Ireo Video Rehefa Mampianatra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • “Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 10/00 p. 1-7

Fitaovana Izay Mampianatra sy Mandrisika ary Manatanjaka

1 Tena manan-kery izy ireo mba hampianarana ny olona momba ny Baiboly sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandrisika olona maro hiandany mafy amin’ny fahamarinana izy ireo. Nanatanjaka ny finoana sy ny fankasitrahan’ny vahoakan’Andriamanitra nanolo-tena izy ireo. Inona moa izany? Ireo vidéos navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Moa ve ianao nahita azy folo? Vao haingana ve? Mampiasa azy ireo eo amin’ny fanompoanao ve ianao? Nambara tamin’ny fivoriamben’ny distrika teo ny fivoahan’ilay vidéo faha-11 hoe Ilay Fitambaran’ny Mpirahalahy Manontolo Misy Antsika (anglisy). Efa nanafatra azy io ve ianao? Ahoana no ahafahanao mandray soa bebe kokoa avy amin’ireo fitaovana sarobidy ireo?

2 Tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra”, tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1999, dia notoroana hevitra isika mba ‘hanokana fotoana amin’ny fianarantsika mba hijerena ampahany amin’ny iray amin’ireo vidéos ahitana fianarana navoakan’ny Fikambanana, sy mba hiresaka momba azy avy eo’. Mifanaraka amin’izany torohevitra tsara izany, dia hanasongadina vidéo hafa iray isam-bolana ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Mampirisika ny rehetra ao amin’ny kongregasiona izahay mba hijery ilay vidéo, alohan’ny hiresahana momba azy any amin’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana.

3 Amin’ity volana ity isika dia hanomboka amin’ilay vidéo voalohany navoakantsika, dia ny hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Jereo ilay izy ary tadiavo ny valiny ho an’ireto fanontaniana ireto:

◼ Inona no tena ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah?

◼ Mifandray amin’ny andinin-teny inona ny zavatra rehetra atao ao amin’ny Betela?

◼ Fisehoan-javatra ara-baiboly inona no hitanao fa nolalaovina sy nalaina sary ary natao sary hoso-doko ho an’ireo zavatra vita an-tsoratsika?

◼ Inona no nanaitra anao, raha ny amin’ny fomba anomanana ireo zavatra vita an-tsoratsika?

◼ Teo anelanelan’ny 1920 sy 1990, zavatra vita an-tsoratra firy no natontan’ny Fikambanana?

◼ Iza indrindra indrindra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra no tokony hiezaka mba ho afaka hanompo ao amin’ny Betela? — Ohab. 20:29.

◼ Amin’ny fomba ahoana avy no anomezan’ny fianakavian’ny Betela ohatra tsara dia tsara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra?

◼ Inona no manaitra anao momba ny asa atao ao amin’ny Betela mba hitondrana ny vaovao tsara any amin’ny olona faran’izay betsaka?

◼ Ahoana no anohanana ara-bola ilay asa maneran-tany?

◼ Asa inona no azontsika tohanana amin-jotom-po, ary amin’ny toe-tsaina manao ahoana? — Jaona 4:35; Asa. 1:8.

◼ Manao ahoana ny fijerinao ilay fandaminana ao ambadik’ilay anarantsika?

◼ Ahoana no ahafahanao mampiasa io vidéo io eo amin’ny fanompoana?

Amin’ny Desambra isika dia hiresaka momba ilay vidéo hoe La Bible: un récit historique exact, des prophéties dignes de foi.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara