FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/00 p. 1
  • Aza Mitsahatra Mitory!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mitsahatra Mitory!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanohy hitory ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahoana Isika no Mitory Hatrany?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Nahoana Isika no Miverina Hatrany Foana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • “Mitondra Teny Soa Mahafaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 11/00 p. 1

Aza Mitsahatra Mitory!

1 Sitrapon’Andriamanitra ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana’. (1 Tim. 2:4, NW). Noho izany antony izany no nanendreny antsika hitory ny vaovao tsara. (Matio 24:14). Raha takatsika ny antony tokony tsy hitsaharantsika hitory, dia tsy hahasakana antsika tsy hanao izany izay mety ho fahakiviana na fanelingelenana ho tojo antsika.

2 Nahoana no maneho fikirizana? Misy fanelingelenana maro eo amin’izao tontolo izao, ary mahatonga ny olona hanadino na hanamaivana izay lazaintsika aminy, izy ireny. Koa tsy maintsy mampahatsiahy azy ireo hatrany ny amin’ny hafatr’Andriamanitra momba ny famonjena àry isika. (Matio 24:38, 39). Fanampin’izany, dia miova foana ny tarehin-javatra eo amin’ny fiainan’ny olona. Na dia ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao aza dia mety hiova be tampoka. (1 Kor. 7:31). Rahampitso, amin’ny herinandro ambony, na amin’ny volana ambony, ny olona itoriantsika dia mety hiatrika zava-manahirana na fanahiana vaovao, izay mahatonga azy ireo hanisy fiheverana lehibe ny vaovao tsara entintsika any amin’izy ireo. Tsy velom-pankasitrahana ve ianao fa naneho fikirizana ilay Vavolombelona izay nitondra ny fahamarinana tany aminao?

3 Ho fanahafana ny famindram-pon’Andriamanitra: Navelan’i Jehovah tamim-paharetana handeha ny fotoana, alohan’ny hampiharany ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy. Tamin’ny alalantsika no nanohizany niangavy ireo olona mahitsy fo hitodika any aminy, ka ho voavonjy. (2 Pet. 3:9). Hivesatra trosan-dra isika, raha tsy manohy mitory amin’ny olona ny hafatr’Andriamanitra momba ny famindram-pony, sy mampitandrina azy ireo ny amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho avy, amin’ireo rehetra tsy miala amin’ny fanao ratsiny. (Ezek. 33:1-11). Na dia tsy raisina tsara foana aza ny fitoriana ataontsika, dia tsy tokony hampihena na oviana na oviana ny fanaovana ny ezaka rehetra isika mba hanampiana ireo olona tso-po hankasitraka ny famindram-pon’Andriamanitra lehibe. — Asa. 20:26, 27; Rom. 12:11.

4 Ho fampisehoana ny fitiavantsika: I Jehovah Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, no nandidy ny tokony hitoriana ny vaovao tsara maneran-tany. (Matio 28:19, 20). Na dia rehefa mandà tsy hihaino aza ny olona, dia manana fahafahana hampiseho ny fitiavantsika sy ny fifikirantsika amin’Andriamanitra isika amin’ny fanehoana fikirizana mba hanao izay tsara. — 1 Jaona 5:3.

5 Enga anie isika ho tapa-kevitra ny tsy hitsahatra hitory! Aoka isika hanao izany amin-jotom-po, dieny mbola tsy tapitra ny ‘andro famonjen’i Jehovah’. — 2 Kor. 6:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara