FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/00 p. 1
  • “Teny Atao Amin’ny Fotoana Mety”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Teny Atao Amin’ny Fotoana Mety”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Avelao Hiresaka Ilay Olona
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Fahaiza-mampiasa Fanontaniana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Nanao Batisa Mpitondra Fanjakana Etiopiana i Filipo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 11/00 p. 1

“Teny Atao Amin’ny Fotoana Mety”

1 Sarotra aminao ve ny milaza ny hafatra momba ny fiainana amin’ny hafa? Mihevitra ve ianao fa tsy maintsy milaza zavatra lalina be mba hampiaiky volana ny mpihaino anao? Rehefa naniraka ny mpianany i Jesosy, dia nilaza taminy hoe: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7). Tsy sarotra ilay hafatra, sady mora ny mizara azy. Tsy misy hafa amin’izany ny amin’izao andro izao.

2 Matetika dia teny vitsivitsy monja no ilaina mba hanombohan-dresaka. Rehefa nihaona tamin’ilay ionoka etiopianina i Filipo, dia nanontany azy hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?” (Asa. 8:30). Tena resadresaka nahitam-bokatra mihitsy no nateraky ny ‘teny natao tamin’ny fotoana nety’. — Ohab. 25:11, NW.

3 Afaka manao tari-dresaka mitovy amin’izany ianao eo amin’ny fanompoanao. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandinihana tsara ny tarehin-javatra misy sy amin’ny fifidianana teny mifanentana amin’izany. Mametraha fanontaniana iray, ary henoy ny valiny.

4 Fanontaniana fototra sasany: Mba hanombohan-dresaka, dia azonao atao ny manandrana ny iray amin’ireto fanontaniana ireto: 

◼ “Mampiasa ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo (na, ny Rainay Izay any An-danitra) ve ianao rehefa mivavaka?” (Matio 6:9, 10). Manonòna ampahany kely, ary avy eo dia milazà hoe: “Manontany ny olona sasany hoe: ‘Iza izany anaran’Andriamanitra izay nolazain’i Jesosy hoe tokony hohamasinina izany?’ Ny hafa manontany hoe: ‘Inona ilay Fanjakana izay nasain’i Jesosy hangatahintsika amin’ny vavaka?’ Efa nahitanao valiny nahafa-po ve ireo fanontaniana ireo ?”

◼ “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe: ‘Inona no hevitry ny fiainana?’ ” Asehoy fa mifandray amin’ny fahalalana an’Andriamanitra izany. — Mpit. 12:13; Jaona 17:3.

◼ “Mihevitra ve ianao fa hofoanana ny fahafatesana indray andro any?” Ampiasao ny Isaia 25:8 sy ny Apokalypsy 21:4, mba hanomezana valin-teny mendri-pitokisana.

◼ “Misy vahaolana tsotra ve ho an’ny fisafotofotoana izaitsizy eo amin’izao tontolo izao?” Asehoy fa mampianatra Andriamanitra hoe “tiava ny namanao”. — Matio 22:39.

◼ “Hisy loza avy any amin’ny habakabaka handrava ny tanintsika ve indray andro any?” Lazao ny fampanantenan’ny Baiboly fa haharitra mandrakizay ny tany. — Sal. 104:5.

5 Asehoy amin’ny fomba tsotra sy mivantana ary amin’ny fanaovana tari-dresaka amin-katsaram-panahy ny vaovao tsara. Hitahy ny ezaka ataonao mba hilazana na dia “teny” iray monja aza momba ny fahamarinana amin’ny hafa, i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara