Matahora An’i Jehovah Mandritra ny Andro
1 “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (Sal. 111:10). Mandrisika antsika hanao asa tsara izy io, ary manampy antsika hanalavitra ny ratsy. (Ohab. 16:6). Io fahatahorana io dia fanajana ara-pivavahana lalina ho an’ny Mpamorona antsika, izay manosika antsika hanalavitra ny tsy hampifaly sy ny tsy hankatò azy. Zavatra ilaintsika hambolena sy haseho mandritra ny andro izy io. — Ohab. 8:13.
2 Isan’andro, ny toe-tsain’ny tontolon’i Satana dia mampihatra fanerena goavana eo amintsika mba hanarahantsika ny lalan-dratsiny. (Efes. 6:11, 12). Mpanota sy tsy lavorary isika ary mora mirona ho amin’ny ratsy. (Gal. 5:17). Tsy maintsy matahotra an’i Jehovah mandritra ny andro àry isika mba hankatoavana ny didiny sy hahasambatra antsika ary hahazoantsika ny fiainana. — Deot. 10:12, 13.
3 Ao amin’ny Hebreo 10:24, 25 (NW), dia toroana hevitra isika mba hiara-mivory mba hahafahantsika hifampahery, ary “vao mainka” tokony hanao izany isika amin’izao andro iainantsika izao. Tena ilaina ny hanatrehantsika fivoriana tsy tapaka, raha tiantsika ny ho tafavoaka soa aman-tsara, amin’izao andro farany izao. Ny fahatahorantsika sao tsy hampifaly an’Andriamanitra dia manosika antsika hanatrika ireo fivoriana sy hihevitra ho zava-dehibe ny zava-kendren’ny fivoriana. Ireo izay matahotra an’Andriamanitra dia mihevitra ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana kristianina ho toy ny tombontsoa masina.
4 Fomba iray hafa anehoantsika ny fahatahorantsika an’Andriamanitra ny fankatoavana ilay didy hitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. (Matio 28:19, 20; Asa. 10:42). Ny hanampy ny hafa hanana fahatahorana an’i Jehovah sy hanaiky hanao ny sitrapony no tanjona iray lehibe eo amin’ny asa fitoriantsika. Manatanteraka izany isika amin’ny alalan’ny fanaovana fiverenana mitsidika sy ny fiezahana hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano, ary avy eo, ny fampahafantarana ny didin’Andriamanitra rehetra amin’ny hafa. Amin’izany no ampisehoantsika fa matahotra an’i Jehovah isika ary tia ny mpiara-belona amintsika. — Matio 22:37-39.
5 Tsy mamboly fankasitrahana ny zavatra ara-panahy ireo izay tsy matahotra an’Andriamanitra, ka resin’ny rivotra mahafatin’izao tontolo izaon’i Satana, na ny toe-tsainy. (Efes. 2:2). Enga anie isika ho tapa-kevitra mafy ‘hanao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’. (Heb. 12:28). Hijinja ireo fitahiana ho azon’ireo izay matahotra an’i Jehovah mandritra ny andro isika amin’izay.