FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/01 p. 1
  • Mahaiza Mihaino Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Mihaino Tsara
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tandremo ny Fihainonareo”
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ampio ny Zanakao Handray Soa Betsaka Kokoa Amin’ny Fivoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Aoka Ianao ho Mpihaino Tsara
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ny Fomba Itarihan’i Jehovah Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 1/01 p. 1

Mahaiza Mihaino Tsara

1 Mitaky fifehezan-tena ny fihainoana amim-pitandremana. Izy io koa dia mitaky ny hananan’ilay mpihaino faniriana hianatra sy handray soa avy amin’izay re. Noho izany, dia nanantitrantitra ny ilana ‘hitandrina ny [ fomba, NW ] fihaino’ i Jesosy. — Lioka 8:18.

2 Mihatra indrindra izany rehefa manatrika fivorian’ny kongregasiona sy fivoriambe isika. Amin’ireny fotoana ireny isika dia tsy maintsy mihaino amim-pitandremana. (Heb. 2:1). Ireto misy hevitra vitsivitsy hanampy anao hihaino tsara any amin’ireny fivoriana kristianina ireny.

◼ Ekeo fa sarobidy ireo fivoriana. Izy ireo no fomba lehibe ‘ampianaran’i Jehovah’ antsika amin’ny alalan’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky”. — Isaia 54:13; Lioka 12:42.

◼ Manaova fanomanana mialoha. Ianaro ilay fanazavana hodinihina, ary aza hadinoina ny mitondra ny Baibolinao sy ny zavatra vita an-tsoratra ianarana.

◼ Mandritra ireo fivoriana, dia miezaha mafy mba hifantoka. Tsy tokony hiresaka amin’ny olona miara-mipetraka aminao, na hijery izay ataon’ny mpanatrika hafa, ianao. Miezaha tsy ho variana mieritreritra momba izay hataonao aorian’ny fivoriana, na momba ny raharaha manokana hafa.

◼ Fakafakao izay hevitra dinihina. Manontania tena hoe: ‘Amin’ny lafiny inona izany no mihatra amiko? Rahoviana aho no hampihatra izany?’

◼ Raiso an-tsoratra fohy ny hevi-dehibe sy ny andinin-teny. Manampy anao izany mba hampifantoka ny sainao amin’izay zavatra dinihina, sy hitadidianao ireo hevi-dehibe, mba hampiasaina any aoriana.

3 Ampianaro hihaino ny zanakao: Mila fampianarana ara-panahy ny ankizy. (Deot. 31:12). Tamin’ny andro fahiny, dia tsy maintsy nihaino tamim-pitandremana ny famakiana ny Lalàna “izay rehetra efa mahahaino” teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. (Neh. 8:1-3). Raha mifantoka tanteraka amin’ny fivoriana ny ray aman-dreny sady mihaino amim-pitandremana, dia azo inoana fa hanao toy izany koa ny zanany. Tsy fahendrena ny mitondra kilalao na boky misy sary holokoana mba holalaovin’ny ankizy. Tsy ahafahany mihaino tsara koa ny fivezivezena tsy amin’antony any amin’ny trano fivoahana. Koa satria “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”, dia tokony hiezaka araka izay azo atao ny ray aman-dreny mba hahazoana antoka fa mipetraka tsara sy mihaino ny zanany, rehefa any am-pivoriana. — Ohab. 22:15.

4 Rehefa mihaino tsara isika, dia manaporofo fa tena hendry sy maniry marina ny “handray fampianarana bebe kokoa”. — Ohab. 1:5, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara