Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 8 Janoary
7 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
13 min: ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’.a Asio fanazavana avy ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1997, pejy 14-15, fehintsoratra 12-13. Ampirisiho ny rehetra hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hanaovana fanambarana.
25 min: Fandaharana Feno Fitiavana Mahakasika ny Fikarakaram-pahasalamantsika. Lahateny ataon’ny loholona mahay iray. Antitrantero ny hoe: ny famenoantsika ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra no fomba tsara indrindra mety hisy hiarovan’ny lalàna antsika amin’ny fampidiran-dra tsy irintsika. Homena ny mpitory vita batisa, aorian’ny fivoriana anio ny karatra, nefa TSY tokony hofenoina anio. Tokony ho ampy hozaraina ny karatra eo am-pelatanan’ny kongregasiona. Hatao aorian’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona manaraka ny fanaovana sonia sy ny fakana vavolombelona ary ny fanisiana daty an’ireo karatra rehetra. Hitondra ny fanampiany ny mpitarika ny fianarana ny boky raha ilaina izany. Tokony hahita ny hanaovan’ilay olona sonia ny karany ireo vavolombelona manao sonia. Ireo mpitarika ny fianarana ny boky dia tokony hahazo antoka fa ireo rehetra ao amin’ny fianarana ny bokiny dia hahazo ny fanampiana ilainy mba hamenoana ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Homena ny ray aman-dreny ny Karatra Famantarana ho an’ny zanany, aorian’ity fivoriana ity. Ny mpitory tsy vita batisa dia afaka manoratra ny azy ireo manokana sy ny an-janany, ka amboariny hifanaraka amin’ny toe-javatra misy azy sy amin’ny hevitra ekeny mafy ny fehezanteny avy ao amin’ireo karatra ireo.
Herinandron’ny 15 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: Mandinika ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao? Lahateny sy fanadinadinana. Diniho Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1996, pejy 17-18, fehintsoratra 12-14, ary asongadino ny maha fahendrena ny hanaovan’ny fianakaviana ny teny hodinihina isan’andro. Manadinadìna mpianakavy: asao ny tsirairay hilaza hoe fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro vao haingana inona no nahasoa azy manokana ary nahoana. Antitrantero fa izy io dia tokony ho anisan’ny fandaharam-pianaram-pianakaviana tsy tapaka, natao hanatanjahana ny ankohonantsika sy hahatonga ny fianakaviana harisika hatrany amin’ny fanompoana.
Herinandron’ny 22 Janoary
7 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
18 min: “Aoka Isika Hanao ny Anjarantsika mba Hananana Trano Fivavahana Mahafinaritra”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, tarihin’ny loholona iray.
20 min: “Mahaiza Mihaino Tsara”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Mandiniha hevitra avy ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 27-28, fehintsoratra 15-17. Ny habetsahan’ny zavatra tadidintsika no fitsapana tsara indrindra ny fahazarantsika mihaino. Asao ny mpanatrika hampahatsiahy hevitra niavaka sasany noresahin’ireo mpandray anjara tamin’ilay Sekolin’ny Fanompoana Teokratika natao androany teo.
Herinandron’ny 29 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Janoary. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Febroary. Ampahatsiahivo ny mpitory fa hatomboka any amin’ny fianarana ny boky amin’ny herinandro ambony ny fandaharana vaovao ho an’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
15 min: Ny Fomba Hanomanana Fampidiran-dresaka. Lahateny sy fampisehoana. Mandiniha hevi-dehibe ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-9. Asehoy ny fomba azontsika ifidianana fampidiran-dresaka mety indrindra amin’ny fomba fitenintsika sy amin’ny maha isika antsika ary amin’ny faritanintsika. Mandiniha santionana fampidiran-dresaka sasany izay azo ampiasana ny bokikely Takina, ary manaova fampisehoana iray na roa amin’izy ireny. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 1997, pejy faha-8.) Ampirisiho ny rehetra mba hampiasa tsara ireny fanoloran-kevitra atolotra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra sy ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ireny, eny amin’ny fanompoany.
20 min: “Ry Ray Aman-dreny — Ampianaro Tsikelikely Hanana Fahazarana Mahasoa ny Zanakareo”. Lahateny sy fanadinadinana ray aman-dreny manan-janaka mandroso ara-panahy tsara. Ambaran’ireo ray aman-dreny ireo zavatra tsara nataony mba hahatonga ny zanany hanao ny fanompoana ho fomba fiainany. Raha mamela ny fotoana, dia asio fanoloran-kevitra avy ao amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana, pejy 55-59.
Herinandron’ny 5 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
15 min: Fanompoana any Amin’izay Ilana Mpitory Bebe Kokoa: Afaka Manao Izany ve Isika? Vakio sy diniho ilay taratasy tamin’ny 15 Janoary 2001. Asehoy izay azon’ny kongregasiona atao mba hanampiana ireo izay maniry hanompo any amin’izay ilana mpitory bebe kokoa.
20 min: Afaka Mahita Fialam-boly Mahasoa Ianao. Mpianakavy miara-midinika ny torohevitra omena ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 1997. Manahy ny amin’ny fikatsahan’ilay fianakaviana fialam-boly ilay ray. Rehefa avy mandinika vetivety ny hoe “Inona no Nitranga Tamin’ny Fialam-boly?” (pejy 4-7) izy ireo, dia mifantoka amin’ireo karazam-pialam-boly tsara sady mahasoa. Diniho ny fanazavana ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, ao amin’ny pejy faha-131-132, eo ambanin’ny hoe “Ny Fialam-boly”, sy ao amin’ny pejy faha-134-135, eo ambanin’ny hoe “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany”. Antitrantero ny anjara asan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fitarihan-dalana, sy ny ilana ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy mba ho tombontsoan’ny ankohonana manontolo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.