FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/01 p. 1
  • Ny Fomba Handresen-dahatra ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Handresen-dahatra ny Hafa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanohinana ny Fo Amin’ny Fahaiza-mandresy Lahatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ampio ny Olona Hanaiky ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Mahaiza Mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Ahoana no Tokony ‘Hamaliantsika ny Olona Tsirairay’?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 2/01 p. 1

Ny Fomba Handresen-dahatra ny Hafa

1 Nalaza ho mpitory nahay nandresy lahatra ny apostoly Paoly. (Asa. 19:26). Na i Agripa Mpanjaka aza dia nilaza taminy hoe: “Kely sisa dia haharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (Asa. 26:28, NW ). Inona no nahatonga an’i Paoly ho tena nahay nandresy lahatra teo amin’ny fanompoany? Nanjohy hevitra tamin’ny fomba mirindra avy tamin’ny Soratra Masina izy, ka nampifanaraka ny hevitra narosony tamin’ireo mpihaino azy. — Asa. 28:23.

2 Ho fanahafana an’i Paoly, dia mila mahay mandresy lahatra koa isika eo amin’ny fanompoantsika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fiezahana hahatakatra ny fihevitry ny hafa, rehefa miresaka aminy sy mihaino azy ireo. (Ohab. 16:23). Dingana telo lehibe no hanampy antsika hanao izany.

3 Mihainoa amim-pitandremana: Rehefa miteny ilay olona, dia mihainoa mba hahitana izay hevitra iombonana hanorenana ny resaka. Raha manohitra izy, dia miezaha hamantatra izay fanjohian-kevitra nahatonga izany. Hanampy ny fahafantarana mazava tsara izay inoany, ny antony inoany izany, ary izay nampiaiky azy hino izany. (Ohab. 18:13). Mahaiza mandanjalanja, rehefa manao izay hamoahany ny heviny.

4 Mametraha fanontaniana: Raha milaza ny olona iray fa mino ny Andriamanitra telo izay iray izy, dia mety hanontany ianao hoe: “Efa nino ny Andriamanitra telo izay iray foana ve ianao?” Avy eo dia milazà hoe: “Efa mba nianatra tamin’ny fomba feno izay lazain’ny Baiboly momba io foto-kevitra io ve ianao?” Mety hanontany koa ianao hoe: “Raha anisan’ny Andriamanitra telo izay iray Andriamanitra, tsy hilaza izany mazava amintsika ve ny Baiboly?” Hanampy anao hiara-manjohy hevitra aminy araka izay lazain’ny Soratra Masina ny valin-teniny.

5 Mampiasà fanjohian-kevitra marim-pototra: Izao no fanontaniana napetraky ny Vavolombelona iray tamin’ny vehivavy iray nino fa Andriamanitra i Jesosy: ‘Raha manandrana mampiasa ohatra ianao hampisehoana fa mitovy ny olona roa, dia iza ao amin’ny fianakaviana no hampiasainao?’ Namaly ilay vehivavy hoe: “Mpirahalahy no mety hampiasaiko.” Nanohy toy izao ilay Vavolombelona: “Angamba aza kambana mihitsy. Rehefa nampianatra antsika mba hihevitra an’Andriamanitra ho toy ny Ray, ary ny tenany ho toy ny Zanaka anefa i Jesosy, hafatra inona no tiany hampitaina?” Nazava tamin’ilay vehivavy fa zokiny sy manam-pahefana kokoa ny iray amin’izy ireo. (Matio 20:23; Jaona 14:28; 20:17). Nanohina ny fony sy ny sainy ny fahaiza-mandresy lahatra.

6 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no vonon-kandray ny fahamarinana, na dia mety hirindra tsara sy ho marina aoka izany aza ny fomba fampiseho ampiasaintsika. Tahaka an’i Paoly anefa, dia aoka isika hazoto hitady ireo olona tso-po ao amin’ny faritanintsika, ka handresy lahatra azy ireo hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. — Asa. 19:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara